Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, manoloana ireo vokatra efa simba na koa lany daty amidy eny an-tsena. Malalaka ny tsena ho an’ny mpanjifa amin’ireo vokatra tiany ho vidiana saingy tokony hanaraka ny fenitra sy hanaja ny fahasalamana […]
Other News
DAKA AN-JORONY: Aza manao sokatra nilatsaham-baratra ê!
Maro ny manontany tena amin’izao fotoana izao, raha misy taranja mizotra sy mandeha araka ny tokony ho izy eto Madagasikara? Fanontaniana saro-baliana izany, hatreto. Am-boalohany, mihazakazaka sy mampanantena hanao zavatra avokoa ireo mikendry ny toeran’ny filoha hitantana ny taranja isanisany. Vao tonga eo amin’ny fitantanana, ny fitantarana olana no laharam-pahamehana […]
Rugby – “Africa Men’s sevens Tournament”: nandrombaka medaly volafotsy ny Makis de Madagascar
Tsy nitsanga-menatra fa nitondra avo ny voninahi-pirenena indray ny Makis de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Nibata medaly volafotsy ry zalahy, teo amin’ny sokajy lalaovin’olona 7. Nifarana omaly alahady, tatsy Maorisy, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Africa Men’s sevens Tournament”, ho an’ny rugby […]
Sombim-baovao
Miverina tanteraka amin’ny heriny i Hakim Abdallah, lohalaharan’ny Barea, amin’izao fotoana izao, taorian’ny ratra nahazo azy. Nahatafiditra baolina telo ny tenany, omaly, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay nifanandrinan’ny ekipa misy azy, Dynamo de Bucarest sy ny Domzale. Nandresy 4 no ho 3 izy ireo. Voahosotra ho tompondaka an’ny « Runball 2024 », […]
Baolina kitra – «Euro 2024»: nahintsan’i Suisse i Italie, tompondaka farany
Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Ny sabotsy lasa teo, nahintsan’ny La Nati Suisse, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, ny Squadra Azzura Italie, tompondaka farany. Resin’izy ireo, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0. Baolina matin’i Freuler, […]






