Other News

Taratry ny kanto

Niteraka resabe ny hiram-pirenena, tao Mahamasina. Na ireo nanatri-maso na ireo nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena dia nahatsikaritra ny tsy fetezana avokoa. Araka ny fanazavana voaray, vokatry ny olana ara-teknika teo amin’ny fanamafisam-peo izany, ka nisy tsy nivoaka ho henon’ny besinimaro ny feon’ny mpihira sasany. Olana efa mpitranga matetika rehefa fety lehibe […]

Fanorona: nandrombaka ny fandresena i Dada Bary

Nikarakara fifaninanana lalao fanorona, teny Ambohidratrimo, i Souleman mpikabary, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. 9 mianaka, avy amin’ny fokontany enina, eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo ireo nandray anjara tamin’izany. Nandrombaka ny amboara, nandresy tamin’izany, Rabarimanana Jean de Dieu na i Dada Bary, 77 taona, rehefa avy nifanandrina ny ho tompondakan’ny […]

“Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana”: tadika tamin’ny teny malagasy

« Amour, patrie et soupe de crabe » ny lohatenin’ilay boky voalohany… Nadika ho « Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana » ity sanganasan-dravaloson Johary ity. 5 taona taorian’ny nipoiran’ny voalohany, nivoaka izao ny boky faharoa, izay nadikan’ Ilai­balihy, nampian’i Rija Al-Jonah teo amin’ny fanitsiana. Tsy asa mora ny fandikana izany, satria tsy ny fehezanteny tsirairay fotsiny no […]

« Grand podium nationale »: nianoka fampisehoana niavaka ny vahoaka

Andro manan-danja sy miavaka ho an’ny vahoaka malagasy ny 26 jona. Izany indrindra no antony nisian’ny fety aman-danonana maro samihafa, nentina nanamarika izany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Grand podium nationale ». Fampisehoana lehibe, nentina nanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny nijoroan’ny foloalindahy. Mpana­kanto mpihira isan-karazany no […]

Hatsimbadika ny rasa ?

Anio amin’ny misandratrandro no hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Andrasana izay ho mpandresy ka hisandratra, handrombaka ny amboara nimatimatesana. Efa maromaro ihany ny kandidà lany teny amin’ny Ceni, no tazana eny an-kianja rehetra eny, ary efa misalotsalotra ny maha depiote, voafidim-bahoaka, azy. Asa hanao […]