Hetsika maro no nentin’ny teto Madagasikara nanamarika ny “Fête de la musique”, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Samy nahitana hetsika avy ny teny anivon’ireo renivohi-paritany, manerana ny Nosy. Fotoana iray nanomezana lanja manokana ny mozika sy ireo mpahay kanto, mpihira, indrindra ireo vao misandratra. “Fitiavana, Tanindrazana, Fozaorana”. Vokatra vaovao no […]
Other News
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Mba tsy ho tafiditra amin’ny fanakorontanana ny 26 jona ny vahoaka”
“Ireo milaza azy hoe tia tanindrazana sy tsy tia vazaha izao no manimbazimba sy manao tsinontsinona ny fankalazana ny Fahaleovantenam-pirenena. Hita porofo amin’izao fa ireo no tena fahavalom-pirenena, manao tsinontsinona ny hasin’ny tanindrazana”. Io ny valin-kafatry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V. momba ny hetsika kasain’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy […]
Fivoriana manokana eny Tsimbazaza: hangotraka ny fifidianana ny birao maharitra
Tsy azo ihodivirana ny fivoriana manokana eo anivon’ny Antenimierampirenena, aorian’ny famoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy. Anisan’ny hiompanan’ny dinika voalohany ny fandrafetana ireo ho mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Hotanterahina amin’ny alalan’ny latsabato miafina ny fifidianana amin’izany ka hofidin’ireo depiote voalohany ny ho filohan’ity Andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Efa manana ny […]
Fantina sy fintina
Notsiahivin’ny mpisintona lakolosy, Raharimanana Patrick, omaly, tao amin’ny Facebook ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Nambarany fa mivory manokana avy hatrany ny Antenimierampirenena ny talata faharoa manaraka ny fanambaran’ny HCC ny vokatry ny fifidianana azy ireo. « Hatsangana amin’izany fivoriana izany ny birao maharitra sy ny filohan’ireo vaomiera. Manana zo hanana ny toeran’ny filoha […]
Marin-toerana… mandroso
Hanao ahoana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny amin’ny fifidianana depiote? Raha ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni: mahazo toerana 81 eny Tsimbazaza ny Irmar, 55 ny an’ny tsy miankina, 22 ny vondrona Firaisankina, efatra Fivoi, iray Kôlektifa an’ny Malagasy. Mety hisy ve ny fahagagana? Na fitsimbadihan-javatra amin’ny fotoana farany… Hanao […]






