Nitondra fanazavana momba ny fanolorana ny anarana ho praiminisitra ny depioten’ny Firaisankina, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa mazava ny voalazan’ny lalàna momba izany. «Tsy afaka manolotra anarana ho praiministra lehiben’ny governemanta ireo solombavambahoaka tsy miankina na nanao fanambarana fa manohana sy miaraka amin’ny fitondrana aza », hoy ny depioten’ ny […]
Other News
TSELATRA
Naratra mafy notafihin’ny jiolahy ny teratany frantsay sy ny vadiny tao Antseranampasika Salazamay Toamasina, afakomaly. Izy mivady irery no ao an-trano fa tsy misy mpiambina ny tanànan’izy ireo. Notsatohan’ireo jiolahy ny antsy ny sandrin’ilay vazaha. Lasan’ireo mpanafika ny finday avo lenta, ordinatera, vola 5 hetsy Ar ary karatra fampiasa amin’ny banky. […]
Nikasa hisasa tongotra: lehilahy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa
Lehilahy manodidina ny 32 taona maty an-drano teo amin’ny ranon’Ikopa, teo Tanjombato, omaly. Araka ny angom-baovao, nanasa tongotra teo amoron-drano io lehilahy io, ny tolakandron’ny alahady 7 jolay teo. Lasan’ny rano tampoka anefa izy ka nikoropaka nitazana ny mponina manodidina. Niandry azy hivoaka ireo mpanasa lamba teo akaiky saingy vao […]
09 jolay 2024
Basy roa sy bala tratra: jiolahy raindahiny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny distrikan’i Betafo, omaly. Mpanao io asa ratsy io izy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana Marotsiazo, kaominina Betafo, ny 7 jolay teo. Nanatontosa fanafihana niaraka tamin’ny namany io jiolahy io ka antony nisamborana azy. Natao famotorana, nanaiky hitoroka ny mpiara-miombona antoka […]






