Mirongatra ny hala-boty any ambanivohitra tato ho ato; an-drenivohitra, tsy mety ho fongotra ny harom-paosy sy fanendahana. Zavatra na vola tsy inona akory amin’izany, mety hitondrana faharatrana sy hamoizana aina. Fahantrana no antony fototra. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fahitana mazava izay atao… Mahantra […]
Other News
Antenimierampirenena : hitarika ny fivoriana ny depiote Gascar Fenosoa sy i Modeste
Hitarika ny fivoriana voalohany sady manokana, ny talata ho avy izao, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo depiote mirahalahy, avy amin’ny tsy miankina. Eo ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ ny distikan’i Mandoto, Rakotorahalahy Modeste, sy ny depiote voafidy tao Antananarivo III, i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Izy ireo no zokiolona sy zandriolona […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana sy fandratrana ilay tovovavy 21 taona hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Amboniandrefana Wagon, kaomininina Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Fiara iray nifatratra tamin’ny sisin-dalana ka potika tanteraka teny Ankadikely Ilafy, afakomaly. Nandeha mafy io fiara io ka tra-doza. Tsy nisy aina […]
Namono mpiasan’ny kaominina : voasambotra ilay mpiambina nahavanon-doza
Niampy iray indray ny voasambotra, afakomaly, momba ny vono olona nahafatesana mpiasan’ny kaominina iray tao Antsirabe. Nisy namono tamin’ny fomba niharo habibiana io renim-pianakaviana mpiasan’ny kaominina io, ny volana oktobra 2023 teo. Nitsoaka taty an-dRenivohitra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka ramatoa iray voasambotra ny 4 janoary […]
Niala lalana : kamiaobe iray nilatsaka tany anaty hantsana
Kamiaobe iray no niala lalana ny vodiny ka nitondra azy amin’ny ankavanan-dalana tany anaty hantsana tao Ankadilalana, fokontany Andranomaitso, kaominina ambanivohitr’Antaretra, distrikan’Ifanadiana, RN 25 Pk 83+500, afakomaly. Kamiaobe nitondra goudron hanatanterahina ny tetikasam-panjakana avy aty Antananarivo ho any Vangaindrano ity niharan-doza ity. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’io loza io ny […]






