Rantsa-mangaika ao anatin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny Rafitra miady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana an-dranomasina (Olep). Natao ny sabotsy 15 jona teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ny fanazarantena sy ny fampiasana ireo fitaovana manara-penitra raha sendra misy ny fahaverezan-tsolika an-dranomasina. Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Ho avy eto amintsika tsy ho ela ny delegasiona avy amin’ny Tanger Med Engineering hijery ny fomba hampivelarana ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara. Mirefy 1000 ha ny seranan-tsambon’i Tanger Med ao Détroit de Gibraltar, any Maraoka. Miisa 100 000 ireo sambo mifamezivezy isan-taona ao an-toerana. Natao nandritra ny roa andro ny dinika […]
Star Ambatolampy : Angovo fanodinana ny rano avy nampiasaina
Mitsinjo ny tontolo iainana ny ozinin’ny orinasa Star any Ambatolampy. Nisy ny delegasiona, notarihin’ny tale jeneraliny, Marc Pozmentier. Nampahafantatra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine. Nampisehoana ny fotodrafitrasa mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 2MW. Tanjona ny hampihenana ny […]
Ampela mandraharaha : vehivavy valo nahazo tohana
Tosika hanatsarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy ny tetikasa « Ampela mandraharaha » novolavolain’ny Association des femmes auto entrepreneures à Madagascar (Afam). Tanjona ny hanampiana ny vehivavy hivelatra sy hisokatra amin’ny sehatra maro samihafa. Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarany ny tetikasany. Antony indrindra nahatonga […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy hatrany ny fitetezana sekoly ataon’i Zook Davids. Hihaona amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole privée Sombiniaiko Andranoro izy, anio manomboka amin’ny 9 ora maraina. Fampisehoana an-tsehatra, fitaizana sy fanabeazana miainga avy amin’ny fanajana ny maha olona (fo, saina, vatana, fanahy). Anisan’ny mampiavaka izany ny fahaiza-mampita hevitra ho an’ny ankizy. Ampiasainy […]






