Nampahafantarina omaly, teny anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona (PLFR) 2024. « Somary narisarisa ny fandoavan-ketra ka tsy tratra ny vina tamin’ity tapany voalohany amin’ity taona 2024 ity », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Natao, hoy izy, izao […]
Other News
Faritra Menabe : mitotongana ny vidim-boanjo
Velon-taraina ny tantsaha mpamokatra voanjo amin’ny tanànan’Ampanihy, distrika Menabe. Mitotongana ny vidin’ny voanjo noho ny tsy fisian’ny orinasa mpanodim-bokatra. Ankehitriny, nidina ho 1 500Ar ny kilaon’ny vokatra raha toa ka 2 300Ar izany tamin’ny taon-dasa. « Betsaka ny orana tamin’ity taona ity izay anisan’ny nampitombo ny vokatra saingy nandiso fanantenana ny mpamokatra ny […]
Emirates : hisokatra ny zotra mankany Dubaï
Kaompania anisan’ny matanjaka indrindra maneran-tany ny Emirates. Hampitombo ny mpandeha sy ny mpizahatany ny fahatongavany aty Madagasikara. Hiampy indray ny fitaterana ana habakabaka. Hisokatra amin’ny 3 septambra 2024 ho avy izao, ny zotra fiaramanidina mampitohy an’Antananarivo sy Dubaï, mandalo an’i Mahé Seychelles. Miantoka ny fitaterana ny kaompania Emirates. Nilaza ny […]
TARATRY ny KANTO
Hell’s Rush ao amin’ny Kudeta Urban Club. Ao anatin’ny fampahafantarana hatrany ny rakikirany vaovao ny tarika. Misesy ny fiakarana an-tsehatra ka etsy amin’ny kudeta Urban Club Anosy indray ry Chloé sy ny tariny, manomboka amin’ny 4 ora. Ho vahinin’izy ireo mandritra izany, ry Abasse, Dessa ary Mario ao amin’ny tarika […]
“Canal + Asaramanitra” : handeha amin’ny Novegasy ireo sarimihetsika vaovao
Sehatra ho an’ny sarimihetsika malagasy ny Novegasy ao amin’ny Canal +. Hiampy ny tolotra ho an’ny fianakaviana amin’ity volana jona ity. Nokendrena hanana ny anjarany ny tsirairay. Nosafidiana ihany koa ny ora maha ao an-tokantrano ny ankamaroan’ny mpianakavy. Tolotra ho an’ny fianakaviana mantsy ny “Canal + Asaramanitra”. Mitana ny laharana […]






