Other News

Karate – Afrika Atsinanana: nankasitraka ny fandraisan’ny Malagasy i Djibouti

Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja karate. Nankasitraka ny lamina i Djiboutie. Nanolotra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Federasiona malagasin’ny taranja karate (FKM), ny lehiben’ny karaten’i Djibouti (FKDji), Abdoulkader Bourhan Kanano, omaly, teny Antani­narenina. « Ankoatra ny ady medaly, zava-dehibe aminay ny mandray anjara amin’ny fifaninanana […]

Faritra Sava : manomboka anio ny JIR faha-9

Tontosaina ao amin’ny faritra Sava, manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Journée internationale des Régions) andiany fahasivy. Hetsika ara-toekarena entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana, ny famokarana ary ny fihariana any amin’ny faritra. Lohahe­vitry ny fankalazana amin’ity ny hoe « Faritra Sava, manana otrikarena manan-danja: […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa dimy ireo orinasa ODOF mampiranty ny vokany eny amin’ny Canal Olympia Andohata­penaka, mandritra ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo. Ao anatin’izany ny orinasa Ampalia izay manodina ny paoma avy any Antsirabe ho lasa Cidre. Eo ihany koa ny huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo […]

Angovo avy amin’ny masoandro: hanohana an’i Madagasikara ny ISA

Natao ny 5 jona 2024 teo, ny atrikasa mahakasika tetikasa tohanan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny angovo azo havaozina (ISA), natrehin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste. Nitarika ny delegasion’ny ISA, ny Dr Barakat Ah­med, lehiben’ny fandaharanasa ho an’i Afrika, niaraka tamin’i Sudhanshu Mishra, manam-pahaizana amin’ny fitsinjarana […]

TARATRY ny KANTO

Farakely etsy amin’ny Chez Pitou Behoririka. Tsikaritra tato ho ato fa nisesy isan-kerinandro ny “cabaret” tao amin’ity toerana ity, taorian’i Lati, hanafana ny fotoana anio alina indray i Farakely sy ny mpitendriny. Hitondra ireo sanganasany be mpankafy, fa hanolotra ihany koa ireo hirana mpanakanto hafa izay ankafiziny i Farakely. Ry […]