“Miverina manomboka ny 6 jona ny fivorianay, hanapaka ny fandaharam-potoana. Ho hita amin’izay ny ho fandehany”, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny Tsimbazaza, omaly. Tsy maintsy tafiditra amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024. Toy ny mahazatra hatramin’izay, fotoana fohy dia fohy no omen’ny governemanta hahazoana mijery ny lalàna mifehy […]
Other News
Miadana Fabien Privat : “Tokony hiaina fangaraharana koa ny kandidà”
Tsy mampitovy fijery be ihany amin’izao ny fironan’ny voka-pifidianana depiote. Hanao ahoana? Ifandroritana amin’izany ny hoe fahamarinana sy fangaraharana. Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy ny mpikarakara fifidianana ihany no ilana fangaraharana, fa tokony hiaina an’izay koa […]
Distrika sy kaominina ao Vavatenina : tsy nahitana fampandrosoana taorian’ny taona 1960
Anisan’ny distrika iray amin’ ireo enina mandrafitra ny faritra Analanjirofo i Vavatenina. Ahitana kaominina 11 mandrafitra azy, izay mifanila amin’ Ambatondrazaka. Mahatratra hatramin’ny 119 kilometatra ny halaviran-dalana raha miainga avy any Toamasina. Maharitra fotoana ela ny fahavitana ny dia noho ny haratsian-dalana. Tsy misy fampandrosoana mihitsy ny fotodrafitrasam-panjakana eo anivon’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nojeren’ny Banky iraisam-pirenena ny fanamboaran-dalana vatsiany vola. Anisan’izany ireo lalana nosimbain’ny rivodoza Gamane farany teo. Nihaona tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Andrianatrehina Ndriamihaja, ny solontenan’ny BM eto amintsika, Atou Seck, ny 5 jona teo. Miaraka hankalazaina any Toliara ny Andro maneran-tany, ho an’ny Tontolo iainana (JME) sy ny Andro maneran-tany […]
Tahirimbolam-panjakana: laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly
Rafitra manan-danja sy saro-pady ny Tahirimbolam-panjakana. Tsy maintsy raisina ny paikady hisorohana ny kolikoly. Natao ny 4 sy ny 5 jona teo ny atrikasa nataon’ny Fitantanana foibe ny Tahirimbolampanjakana (DGT), miaraka amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Tao daholo ny teknisiana rehetra ao amin’ireo rafi-panjakana roa ireo. Nisy ny fifanakazom-baovao […]






