Tsy mampitovy fijery be ihany amin’izao ny fironan’ny voka-pifidianana depiote. Hanao ahoana? Ifandroritana amin’izany ny hoe fahamarinana sy fangaraharana. Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy ny mpikarakara fifidianana ihany no ilana fangaraharana, fa tokony hiaina an’izay koa ny kandidà.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo ny fizotran’ny fifidianana depiote?
Miadana Fabien Privat (-): Be ny resaka mandeha… Misy, ohatra, ny fandoroana voka-pifidianana. Nefa matoa nasiana delegena kandidà ny biraom-pifidianana, hitatitra ny tena zava-misy. Izay no ahazoan’ny kandidà manara-dalàna amin’ny fitarainana sy fitoriana. Misy ny fanenjehana hoe manitsakitsaka lalàna, ohatra, ny kandidà itsy na iroa. Nefa mbola manitsakitsaka lalàna koa ilay olona manao fanenjehana. Samy mandika lalàna, nefa efa misy rafitra natokana andraisana fitarainana. Vao aty amin’ny fanangonam-bokatra dia efa misetrasetra, nefa mamela ny fanaovana fampitaham-bokatra ny lalàna. Raha tsy mety amin’ny kandidà ny voka-pifidianana fa hoe misy hala-bato, porofoina any amin’ny HCC izany.
* Ahoana ny hisorohana ny tsy fifampitokisana amin’izany?
– Amin’ny ankapobeny, efa samy mahafantatra ny fomba fangalarana ny rehetra. Ny manara-maso an’ireny no tokony hametrahan’ny kandidà olona. Olombelona avokoa ny amin’ny Ceni foibe, ny eny an-kianja, ny any amin’ny biraom-pifidianana… Tokony hisy mpanara-maso izany mba tsy hisy hanelingelina ny fahitsiana ny fitantanan ny raharaham-pifidianana. Toy izay koa ny mpomba ny kandidà, tsy tokony hisy mpifidy tsy mahalala ny voka-pifidianana tao amin’ny birao nandatsahany vato. Izay no fisorohana ny hala-bato.
* Inona no mety mahatonga izany?
– Eo ny tsy fahafantarana ny lalàna: andro no omen’ny lalàna iasan’ny SRMV, 15 andro ny an’ny Ceni, 16 andro ny an’ny HCC. Nefa noho ny fandrosoana ara-teknolojia, ny vokatry ny kandidà no lasa aloha. Izay no tonga dia entiny manetsika ny mpomba azy. Ny azy ihany no isainy amin’izany, nefa tsy izay ny an’ny mpikarakara fifidianana fa isaina sy arovana avokoa ny vaton’ny kandidà rehetra. Azon’ny kandidà atao ny manisa ny vato azony, fa tsy tokony hiteny izy hoe mandresy. Satria mety mbola hisy ny fitoriana ka mety hisy ny fanafoanana vokatra hampihena ny isam-bato azo. Any amin’ny HCC vao tena fantatra hoe: iza no mandresy? Tsy ny mpikarakara fifidianana ihany no ilana fangaraharana, fa tokony hiaina an’izay koa ny kandidà.
Nangonin’i R. Nd.




