Ny talata lasa teo no nigadona voalohany tatsy Afrika Atsimo ny ampahany amin’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Comores sy i Mali. Anisan’ireny i Tremoulet Sandro, Andriantiana Nomena, i Thierno Millimono, i Julien Pontgerard, i Titouan Safidy ary i Teva Gardies. Nantsoin’ny Me Rôro, mpanazatra ny […]
Other News
Handball : hisolo tena ny faritra faha-7 ny Akio
Fantatra izao fa hisolo tena ny faritra fahafito eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “IHF Trophy continental 2024”, ny Akio de Madagascar, sokajy cadet sy junior, lehilahy. Raha tsiahivina, nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny cadet taorian’ny fandresen’izy ireo misesy an’i Seychelles sy i Comores. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny […]
Rugby – XXL Top 12: hangotraka ny lalaon’ny Tam Anosibe sy ny 3FB
Hiverina indray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, taorian’ny 2 volana niatoany. Fandaharan-dalao anisan’ny goavana ary andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny 3FB. Hotanterahina ny alahady 2 jona ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby […]
Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka”
“Ny zavatra azo ambara: isaky ny fotoam-pifidianana dia adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandray anjara, misafidy izay olona safidiny, indrindra fifidianana solombavambahoaka no resahina”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, taorian’ny nanatanterahany ny fandatsaham-bato teny amin’ny Lycée agricole Ambatobe, omaly. Solombavambahoaka izay mitondra ny tenin’ny vahoaka, mijery izay mangirifiry ny vahoaka […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny HCC”
“Ny fisian’ny fitarainana tsy midika hoe tsy manara-dalàna ny zava-misy. Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Zon’ny mpifaninana amin’ny fifidianana sy ny olom-pirenena ny manao fitarainana araka ny tokony ho izy”, hoy ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, taorian’ny fandatsaham-batony […]






