Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, ny 20 mey 2024 lasa teo ireo dahalo enina tompon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, voasambotry ny zandary ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Iaban’ny Lamina. Taorian’ny famotorana nataon’ ny zandary azy dia nanaiky […]
Other News
Tsilazaina : ramatoa naratra novelesim-badiny angady
Torana tsy nahatsiaro tena ny renim-pianakaviana iray manan-janaka roa novelesim-badiny tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Voalaza fa hasarotam-piaro no nahatonga ity raim-pianakaviana ity nahavita fihetsika mamoafady tamim-badiny. Efa ela no nisy disadisa ny tokantranon’izy mivady noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ataon’io vadiny io, araka ny fanazavan’ireo […]
Nidaroka sy nandrahona ho faty : miaramila valo naiditra am-ponja
Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny miaramila valo lahy, afakomaly. Notorian’olona noho ny fanaovana herisetra, tetsy Ampahibe izy ireo. Nidaroka sady nandratra olona, miaramila miisa valo nosamborina ka notanana vonjimaika eny am-ponja, ny 23 mey teo. Ny alin’ny 19 mey, nikotaba teo ivelan’ny tranon’ny olon-tsotra iray teny Ampahibe ireo miaramila, […]






