Voasambotry ny zandary, omaly, ireo jiolahy roa tompon’ antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny distrikan’i Maevatanana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, lehilahy iray notifirin’ny jiolahy ka nalevin’izy ireo antsokosoko. Sivy andro taorian’ny famonoana anefa no hita ny fatiny. Ny 8 mey 2024 lasa teo no nitranga ity vono […]
Other News
Hafatra Pantekoty avy amin’ny FFKM: “Aoka tsy hampanantena poakaty sy hividy safidy”
Hentitra koa ny fanambaran’ny eo anivon’ny FFKM tamin’ny hafatra Pantekoty navoakan’izy ireo, omaly. Anisan’izany ny momba ny fifidianana depiote sy ny olana sosialy amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny hafatra fa tokony halavirina ny korontana sy ny tabataba amin’izao fifidianana izao. “Aoka ianareo kandidà mba tsy hananararaotra ny fahasahiram-bahoaka ka hividy safidin’izy […]
Tetikasa ODOF- Manandriana : hanodina voasary 20 t isan’andro ny milina
Mitohy ny politikam-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Napetraka ao Manandriana, faritra Amoron’i Mania, ny alakamisy teo, ny ozinina hanodina ny voasary ho ranom-boankazo, voasary makirana marihitra na koa ho lohamenaka izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF). Noho izany, hanodina voasary hatramin’ny 20 taonina isan’andro […]
Royal Enfield : nivoaka ny modely « Shotgun 650 »
Kodiaran-droa! Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto « Shotgun 650 » ny Royal Enfield, CT Motors. Mafy sy matanjaka ny moterany satria mahatratra hatrany amin’ny 650m3 izay mitovy amin’ireo moto hafa. Miavaka tanteraka anefa ny « Shotgun 650 » noho izy « custom » sy « roadster » mitambatra. Noho izany, sahaza ny lalana rehetra ity […]
Fandraharahana : Start-Up valo misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 5 000 dolara
Hisitraka famatsiam-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara isan’olona ireo mpandraharaha valo mendrika indrindra. Amin’ny alalan’ny tetikasany izay mipaka mivantana amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny tontolo iainana no nitsarana azy ireo. Miara-dalana ny sehatry ny fandraharahana sy ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Miantoka ny akora fototra […]






