Other News

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo aina ny vola malagasy nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Izany hoe, niakatra 6,2% ny sandan’ny Ariary raha oharina amin’ny Euro sy ny dolara izay mihoatra ny 4,8%. Mahatratra 80% ny fampodiana ny vola vahiny tamin’ny fanondranana nataon’i Madagasikara nandritra ny volana marsa teo. Miisa sivy ireo orinasa […]

Fivadiham-pitokisana : mpiambina nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy

Mailo! Mirongatra tanteraka amin’izao fotoana izao ny hala-tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any amin’ny faritra. Lehilahy mpiambina iray miasa eny Manazary Ilafy no nahavita nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy tamina an­dian’olona maro. «Monina sy miasa ao amin’io tananay io aman-taonany maro ity lehilahy ity ka izao nivadi-pitokisana […]

“Festival des baleines”: hanomezana lanja ny sakafo malagasy

Hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 21 jolay, ao amin’ny nosy Boraha (Ste Marie), ny “festival des baleines” andiany fahafito. Homena lanja manokana mandritra izany ny mampiavaka ny sakafo malagasy. Manana ny lazany eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity hetsika ity, noho izy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany, indrindra […]

Firaisamonim-pirenena : manaitra ny fanjakana hijery ny fanondranana harem-pirenena

Hentitra amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena. Mampitandrina ireo mpanondrana antsokosoko ny bibidia sy ireo hazo sarobidy izy ireo ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hanaraka akaiky ny raharaha. Miha matanjaka sy ma­hazo vahana ny tambajotra mpanondrana ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Mazàna mirongatra ihany koa ny fanondranana […]

Beach Soccer – “Festival Mazavaloha”: Ekipa 10 hiady izay ho lohany

Hanomboka anio, any amin’ny torapasiky ny faritra Sambava sy Antalaha ny andiany voalohany amin’ny “Festival Mazavaloha” ka hisian’ny fifaninanana Beach Soccer na ny baolina kitra lalaovina ambony fasika. Li­gim-paritra folo no nandefa solontena amin’ity ary hiady izay ho lohany. Anisany i Melaky, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy-Fitovinany, Analanjirofo, Dia­na, Sava […]