Other News

Olan’ny baolina kitra : mafana ny ady eo amin’ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga

Niakatra ny maripanan’ny raharaha Joma, Malagasy mpilalao! Namoaka ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera ny Fosa Junio Boeny, omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny AS Fana­lamanga, ny zoma lasa teo, teny Nanisana. Nilaza ity klioba ity fa efa niakatra eny anivon’ny tribonaly misahana ny ady ara-panatanjahantena (Tas) sy ny Fifa […]

DAKA AN-JORONY: Faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko

Amoron-tevana indray amin’izao fotoana izao ilay taranja nampiray fo ny Malagasy sady nampiakatra avo dia avo ny lazan’i Madagasikara. Ny baolina kitra, ny tian-kambara amin’izany. Hivangongoan’ny olana tsy hita pesipesenina amin’izao fotoana izao, ny Federasiona malagasy (FMF). Ny eo tsy voavaha, ny eo misisika ihany. Toa manao fihavanan-takatra, faly miara-mitokiky, […]

Lalao Acnoa faritra fahafito: laharana voalohany i Madagasikara

Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy atleta 24 mianadahy niatrika ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito, natao tany amin’ny Nosy Seychelles, nandritra ny herinandro teo. Nahomby ny Malagasy mpilalao! Medaly 44, izay nahitana volamena 22 sy volafotsy 20 ary alimo 2 no nahazoan’i Madagasikara laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana Acnoa, faritra […]

Sombim-baovao

Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 18 mey ho avy izao, any Kigali renivohitr’i Rwanda, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, sokajy lahy sy vavy. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila handehanana any amin’ny “lalao olympika 2024”, izay hatao any Paris, izany. Hotanterahina any Zanzibar Tanzanie, […]

Malagasy Rugby: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny mpitantana

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ivontoeram-piofanana Andohata­penaka, ny fivoriambe ara-potoana ho an’ny taom-piasana 2023, Malagasy Rugby. Fotoana nanaovan’ireo komity mpanatanteraka ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny moraly tamin’ireo ligim-paritra eo ambany fitantanany. Na­hatratra 8 ireo ligy niatrika izany: Vakinankaratra, Itasy, Alaotra Mangoro, Menabe, Atsinanana, Boeny, Ihorombe, Amoron’i […]