Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy. Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. […]
Other News
Tao anatin’ny telo volana : nihena 30,7% ny vokatra naondran’i Madagasikara
Nihena hatrany amin’ny 30,7% ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanadihadiana ny toekarena, ny talata teo. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro […]
Tetikasa “Pro Agro Youth” : Tanora 200 miofana hanodim-bokatra
Nomena lanja manokana ny tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra, tamin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo amin’ny sehatry ny fanodinana vokatra ara-tsakafo, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Pro Agro Youth”. Miisa 200 mianadahy ny tanora avy eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra nisitraka ny fiofanana. Nisy, araka izany, ny vokatra mivaingana nataon’ireo […]
Harena an-kibon’ny tany: mivelatra ny sehatra iasan’ny Omnis
Voafaritra avokoa ireo paikady vaovao ataon’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo indostria stratejika (Omnis) amin’ny fikarohana sy fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny alalan’ny fikarohana atao. Notanterahina omaly, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fihaonamben’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo […]
Fahavitan’ny lalana : manamora ny famoaham-bokatra
Hifamezivezen’olona aman-jatony isan-kerinandro, manampy azy ireo amin’ny fitateram-bokatra, ny fahavitan’ny lalana mirefy 10 km mampitohy an’i Mahitsy sy Farahantsana, amin’izao fotoana. Nandray an-tanana ny fanavaozana io lalana io ny orinasa Tozzigreen nanomboka ny taona 2020 teo. Niara-nisalahy tamin’ny fifanomezan-tanana rahateo ny kaominina voakasika, toy ny ao Ambohimasina izay nanome ny […]






