Other News

Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka omaly, teny Ambatobe, ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora, “Utop”, andiany faha-15. Mahatratra roa arivo mahery ireo olona nisoratra anarana tamin’izany, ka teratany vahiny avokoa ny 250 amin’izy ireo. Norombahin-dRandriambololomanana Tsiaro, Malagasy mpitsara, ny amboaran’ny “Arbitre le plus prometteur” nandritra ny “Cosafa Award”, ny taona 2023, izay natao tany […]

Fifidianana depiote Toamasina I : samy nentina am-bavaka ny propagandy

Mandeha ny fampielezan-kevitra. Samy manao izay paikady enti-mandresy lahatra ny mpifidy ny rehetra. Ho an’i Toamasina I, fotoam-pivavahana no nanombohana izany. Efa naneho tamin’ny fomba maivamaivana ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ireo kandidà efatra amin’ireo dimy mifaninana eto Toamasina I. Tsy mbola tazana kosa ny kandidà iray fahadimy na mbola eo am-pandrafetana […]

Ho an’ny mitady sila-panahy : raikitra ny « Celibat events »

«Celibat events», io no anarana nasalotry ny Alone mpikarakara ilay ambohi-pihaonan’ireo mitady sila-pa­nahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely no hanatanterahana azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 mey, hanomboka amin’ny 5 ora hariva. Fanda­haram-potoana anatin’ny «Celibat events» ny fisian’i DJ Robs Mc, hanakorisa ireo hira […]

Mozika klasika : hiaka-tsehatra i Narimanana

Narimanana. Anarana tsy afaka amin’ny fiangaliana ny gitara, indrindra ny mozika klasika an-gitara. Anisan’ireo sangany sy malaza amin’izany mantsy ity mpanakanto ity. Fantatra fa i Narimanana indray no hanafana ny «Dimanche classique» andiany faha-14, izay hotontosaina rahampitso alahady 12 mey, manomboka amin’ny 4 ora, etsy amin’ny Alliance française Andavamamba. Hamerina […]

Sarimihetsika malagasy : hiatrika ny “Festival d’Annecy” ny « Ala fady »

Mitombo indray ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nandresy lahatra ireo avy any ivelany. Hetsika lehibe eo anivon’izany, anisan’ireo efa ela sy manana ny maha izy azy, ny “Festival d’Annecy”. Izay indrindra ny maha fanararaotra lehibe ny fandraisana anjara aminy. Tanterahina ny 9 jona hatramin’ny 15 jona 2024, ao Annecy Fran­ce, ny […]