Maty voahitsaky ny kamiaobe ny renim-pianakaviana iray 27 taona tao Ambohimanambola, afakomaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nandalo ny arabe io fiara mpitatitra entana io. Naka sisiny avokoa ny mpandeha an-tongotra rehetra. Niloloha entana anefa ilay ramatoa kanjo nidona tampoka tamin’ny tafontrano nandalovany ny entana teny an-dohany ka nianjera tamin’ny tany […]
Other News
Nidaroka mpanatitra entana: jiolahy roa naiditra eny Antanimora
Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny jiolahy roa nidaroka tamin’ny “bois-rond” mpanatitra entana iray tao Ambohimitsara, kaominina Ambohimangakely, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanafatra akanjo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo jiolahy roa lahy. Nampandaloviny amin’ny toerana mangingina ny mpanatitra io entana io, ny 6 mey lasa teo tamin’ny 3 ora sy sasany. Nandrasan’ireo […]
Nahatrarana basy dimy: maty voatifitra i Njara Kelialoka
Dahalo am-polony nikasa hanafika tanàna iray tao Ambatofinandrahana. Maty voatifitry ny zandary ny iray. Sarona ny basy mahery vaika miisa dimy. Ravan’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny fanafihana mitam-piadiana nokasain’ny dahalo am-polony hotontosaina tao amin’ny tanànan’Andravelona, fokontany Tsimamaliavona, kaominina Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny 8 mey teo tamin’ny 2 ora tolakandro. […]






