Piment Café – Revy Lôlô sy ny tariny. Mitohy hatrany ny “fitetezam-pokontany”, araka ny filazan-dry Benny, Bebey ary Nini azy. Toerana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Revy Lôlô sy ny tariny” ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Any Tsiroanomandidy ry Zandry Gasy […]
Other News
Hakanto Contemporary, andiany faha-10: hasongadina ny tahirin-tsarin’i Dany be
Hotanterahina etsy amin’ ny efitrano Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny 4 mey hatramin’ny 26 Oktobra izao, ny fampirantiana andiany faha-10. Hetsika hanomezan-danja ny sary manan-tantara nandritra ny fotoana niasan-dRakotoseheno Daniel na i Dany be, mpanao gazety sady mpaka sary. “Nosafidiana i Dany be satria olona tena anisan’ny manana ny maha izy […]
“Coupe du monde de Slam Poèsie”: Santa sy System D no hisolontena an’i Madagasikara
Anisan’ny haikanto vahiny, nefa manomboka mahazo laka eto Madagasikara, ny “Slam poèsie”. Ankoatra ireo fifaninanana anatiny maro, izay fototr’izany firoboroboana izany, efa mivelatra amin’ny any ivelany ihany koa ny mpiangaly “Slam poèsie” eto an-toerana. Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao […]
Mpandihy matihanina: mba ho kanto hampidi-bola ny dihy
Ny alatsinainy lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Fotoana izay nahafahan’ireo mpandihy sasantsasany nitafa tamin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izany. Nivoaka tamin’io, fa hatao rahampitso sabotsy 4 mey ny fankalazana. Hisy, araka izany, ny fampisehoana dihy, izay hatao eo amin’ny Kianjan’ny Hiragasy ao Ampefiloha. Hitohy […]
« Avy am’zay ! »: hiaka-tsehatra ny tarika Fakr
Ny taona 2003 no nahita masoandro ny tarika Fakr (Fusion Alternative Kaiamba Rock) Mampiavaka ny tarika ilay feo manana tanjaka manaraka ny fenitry ny kanto sy ny tononkira mora raisina. Fandrindrana ny mozika amin’ ny fomba tsotra nefa tsy mety lefy laza. Vokany, tsy manavaka sokajin-taona ny fankafizana ny sanganasan’ny […]






