Other News

TSELATRA

Taxi-be zotra E nifatratra tamin’ny andrin-jiro teny By-pass, omaly. Nandeha mafy io fiara io ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Naratra ny mpandeha sasantsasany tao anatin’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Maty navadiky ny lakana ny lehilahy iray tao Mamamba, Ambohibao, afakomaly hariva. Nifam­pitadiavan’ny ekipan’ny Sampana mpamonjy voina izy. Niezaka […]

Lasa ny vola 250 000Ar : mpivady naratra mafy nodarohan’ny jiolahy

Naratra mafy ny mpivady tompona trano fivarotana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Ambohinaorina, fokontany Manakambahiny, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nosokirin’ireo jiolahy tamin’ny baraminina ny varavarana, tamin’io alina io, ka tafiditra tao an-trano ry zalahy. Tsy nisy resaka fa daroka avy hatrany no nahazo azy mivady tompon-trano […]

Toliara: Jiolahy maty voatifitra

Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Ankatsaky, Toliara, omaly maraina. Nanakana Cyclo-pousse ireo olon-dratsy. Ilay mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily nefa nitaingina an’io fitaovam-pitaterana io. Nanambana azy sy nikasa handroba ireo jiolahy. Namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany ilay polisy. Raikitra ny fifampitifirana. Nitsoaka nandositra […]