Other News

Akany Avoko Faravohitra : Norobain’ny olon-dratsy

Nisy nanafika, afakomaly, tokony tamin’ny 9 ora sy sasany alina, ny akany Avoko etsy Faravohitra. Tsy misy tamboho ny Akany amin’izao fotoana izao, fa fefy goailaka no na­taon’ny tomponandraikitra hiarovana izany. Niditra tamin’ny alalan’izany ireo olon-dratsy ka nandroba ny entana sasany teo an-tokotany. Anisan’ny voaroba tamin’izany, ny varavaran’ny efitrano fandraisana […]

Nisandoka polisy : Lehilahy iray voasambotra

Lehilahy iray voasambotry ny olisim-pirenena miasa ao amin’ ny komisaria CSP8 Analamahitsy, ny harivan’ny 05 marsa 2026 lasa teo. Enjehina noho ny fisandohana andraikitra ho polisy sy fakana vola amin’ny alalan’ny fandrahonana izy io, raha ny fanazavana voaray. ‎Manara-dia miafina ireo olona mandeha mankany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy na toerana […]

Lozam-pifamoivoizana : Olona telo maty, roa hafa naratra mafy

Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny toerana maro, nandritra ny sabotsy sy ala­hady lasa teo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny samy kodiaran-droa, nisy koa ny mpandeha an-tongotra voafaokan’ny fiara. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy nandritra izany. Olona roa naratra mafy. Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho […]