Hanomboka amin’ny velakevitra anio, ny eto Antananarivo. Efa nisy kosa ny hetsika hafa tany amin’ny faritra. Hitohy amin’ny « Zarafanahy XVI » ny fanamarihana ny Volan’ny Poezia, ho an’ny Faribolana Sandratra. 21 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia. Natokana ho volan’ny poezia ihany koa ny volana marsa, noho izany. Tsy diso amin’ny fankalazana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Midangana ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana. Noho ny orana nisesisesy izay nitarika fahasimban’ny vokatra sy ny lalana no voalaza ho nahatonga izany. Mivarotra amin’ny fatiantoka ny tantsaha satria kely ny fahefan’ny mpanjifa. Vokany, tsy mandeha ny tsena, mihena ihany koa ny fidiram- bolan’ireo tantsaha sy mpamokatra. Miteraka fitohanana […]
Jirama: Hanolo ireo kaonteran-drano mihoatra ny 15 taona
Mampahafantatra ny rehetra ny Jirama fa hatomboka eny Ankadindratombo sy ny manodidina ny fanoloana ireo kaoteran-drano efa antitra, mihoatra ny 15 taona. Tetikasa hanatsarana ny fisitrahana rano fisotro na PAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tanjona ny hanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Hitety ny isan-tokantrano hanao ny asany […]
Toamasina : Miverina tsikelikely ny herinaratra
Mampahafantatra ny mpanjifa ny vondrona Filatex Energy fa efa miasa ny 30% ny famokarana herinaratra vokarin’ny Enelec Toamasina. Efa misy koa ny ampahany fampitana ny herin-jiro any amin’ny tambajotran’ny Jirama, ary mitohy tsikelikely izany. Mampiseho ny fandrosoan’ny asa ara-teknika, hiantohana ny famatsiana herinaratra any Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany […]
Fambolena : Mahatratra 5,17 tapitrisa isan-taona ny voka-bary
Atao eto Antananarivo, ny 9-12 marsa, ny fivoriamben’ny Vovonana hampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika (Card). Miisa 32 ny firenena mpikambana ka anisany i Madagasikara. Miara-mivory amin’ity andiany faha-21 ity ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka amin’ ny sehatry ny vary. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo aty Afrika sy hampiroboroboana ny fambolem-bary. […]






