Other News

TARATRY ny KANTO

Nifampitaona tamin’ny mpankafy azy tetsy Ampefiloha ny tarika Ny Ainga, omaly. Korana sy lanonana ary fiaraha-misakafo no natao nandritra izany. Nampiavaka ny hetsika ny fisantarana sahady ny fankalazan’ny tarika ny jobily faha-30 niakaran’izy ireo an-tsehatra. Teo ihany koa ny fifankahitan’izy ireo tamin’ny mpankafy. Nanolotra atrikasa ara-javakanto sy ara-kolontsaina ho an’ny […]

Lalao fanorona : mampandroso ary ifotoran’ny fiainan’ny Malagasy

Tontosa tetsy Ambo­hidratrimo, ny faran’ny herinandro teo ny “Festival fanorona”, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’i Sou­leman Mpikabary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjona ny hampivoatra sy hamelo-maso indray ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny fanorona. “Mifototra amin’ny fanorona avokoa ny foto-kevitra sy ny fiainanan’ny Malagasy rehetra”, hoy i Sou­leman Mpikabary, nandritra ny hetsika. […]

Fehezan-tononkalo: namoaka ny “Miaina fy tia” i Tsiaro

Tsy mandalo fotsiny amin’ny mpanoratra ny volana febroary, volan’ny mpifankatia… Namoaka ny boky “Miaina fy tia” i Tsiaro, ny faran’ny herinandro teo. « … Tononkalo voafantina manokana. Natao indrindra hanamarihina ny fetin’ny mpifankatia », raha ny fanazavany no voarakitra ao amin’ity boky vaovao mirakitra fehezan-tononkalo ity. « Miaina satria iainana amin’ny andavanandron’ny olombelona […]

Tanora Masina Itaosy: seho nanjakan’ny fitiavana ny « Ny tia dia… »

Antokom-pihira anisan’ny maro mpitia ny Tanora Masina Itaosy sy ireo sanganasany. Lalan-davitra no naleha. Naneho ireo vokatra nampanantenaina izy ireo, omaly. Nampita hafatra lehibe ihany koa. … Fampisehoana an-tsehatra goavana be nampitondraina ny lohateny « Ny tia dia… », notontosaina tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Ima­ha­ma­sina. Nandritra ity seho ity ihany […]

Harinkarena : mihalafo ny vidim-piainana eto Madagasikara

Mihamafy ny fi­son­drotry ny vidim-piainana manerana an’i Madagasi­kara. Teo amin’ny 6,9% tamin’ny 2022 niakatra 11,3 % ta­min’ny 2023, izay nokajiana 10,5 % taorian’ny jona 2023 ihany ary 8,5 % amin’izao fiandohan’ny 2024 izao, saingy mifanohitra amin’izay ny zava-misy. Nandalo tsy fahampian’ ny fitomboan’ny harinkarena sy fahantrana lalina i Madagasikara, am-polo […]