Other News

Hiatrehana ny ririnina: hanampy an’i Okraina ny « Otan »

Vonona hampitombo ny fanampiany an’i Okraina ny fikambanana lafiny fandriampahalemana ara-tafika, vondron’ny fifanarahana tany avaratry ny Atlantika (Otan). Hanangana indray ny fotodrafitrasa momba ny angovo, izay ravan’ny fanafihana ro­siana. Io no tapaka nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo tany Bucarest, ny talata teo. Hiatrehana ny ririnina no nanaovana io tetikasa io. […]

Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo: nanao fikarohana amin’ny hazo hanaovana arina (saribao)

Manao atrikasa eto Anta­nanarivo, omaly sy anio, ireo telo mpiara-miombo’antoka : Fofifa-Cirad-Oniversite An­tananarivo, manao tomban’ezaka amin’izay vita sy valim-pikarohana vaovao haroso ato anatin’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Efa 20 taona mahery no miara-miasa ny telo tonta (DPFB)*, ka tonga eo amin’ny dingana famaranana izao, hanaovana tomban’ezaka isaky dimy taona sy […]

Lalana RN 1Bis : amboarin’ ny Madagascar Oil ny tena ratsy

Nanomboka nivarotra solika menaka mavesatra any amin’ireo orinasa vaventy ny Va­kinankaratra ny Madagascar Oil S.A (Mosa), nanomboka ny volana aogositra 2022 teo. Mba tsy hampiato ny famatsiana ataony, miroso amin’ny fanarenana ny tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN 1Bis ity orinasa ity, mampitohy an’i Tsimororo sy Tsiroanoman­didy amin’izao fotoana firotsahan’ny orana […]

Tetikasa Ambatovy: nahazo ny « Label malagasy ny antsika »

Folo taona izao no namokatra nikela sy kobalta ny tetikasa Ambatovy. Namorona asa hatrany amin’ny 12 000 sy tombontsoa maro teto Madagasikara. Vokany, Sendikan’ny indostria eto Madagasikara, Sim, ny mari-pamantarana, “Label malagasy ny antsika” izy. Feno 10 taona amin’ity taona 2022 ity ny namokaran’ny orinasa tetikasa Ambatovy nikela sy kobalta […]

Fanangonan-tsonian’ireo depiote : ahina ho saro-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mponina

Voahozongozona. Naneho ny tsy fahafaliany ka raikitra ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza. Nohitrikitri­hin’ ny depiote Raholdina Naivo, omaly, fa tsy ara-dalàna ny nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana ny karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 noho ny fitokonana nataon’izy ireo. Notsiahiviny fa tsy notapahina karama izany ireo sendika nitolona niaraka amin’ny depiote 73 teny amin’ny […]