Namoaka fehinkevitry ny fivoriana nataony teny Ambatoroka, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Nafonja ary hentitra ny hafatr’izy ireo tamin’izany. Nahitsy ny hafatra. “Ho anareo mpitondra isan’ambaratongany, henoy ny maharary ny vahoaka eo amin’ny sosialy, ekonomika… ary aza manararaotra ny fahantran’izy ireo. Isika vahoaka, hajao ny fananana […]
Other News
Morondava: tra-tehaky ny polisy ireo jiolahy mpamaky trano
Saron’ny polisim-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, tao Morondava ireo roa lahy malaza mpamaky trano ao an-toerana. Nisesisesy tokoa ny vaky trano tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe, tao anatin’ny andro maro. Araka izany, nanamafy ny fisafoana sy nametraka paikady hanenjehana ireo jiolahy ny polisy. Nahitam-bokany izany ka voasambotra ireo jiolahy […]
Halatr’omby mitam-piadiana : maty ny mpanara-dia iray
Dahalo 12 lahy mitam-piadiana tonga nanafika trano iray tao Ampiakarandava,distrikan’i Manandriana, ny zoma hariva teo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ireo omby telo tao an-toerana. Nizotra niankandrefana ny dian’ireo dahalo rehefa azony ireo biby, raha ny fampitam-baovao. Niray hina ny fokonolona tao an-tanàna, ka nanara-dia avy hatrany. Nampandrenesina ihany koa ny […]
nalaina an-keriny: avotra izy mianadahy, dahalo iray lavo
Votsotra tany amin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ireo ankizy mianadahy fito sy folo taona natao takalonaina tao Miandrivazo, iray volana lasa izay. Dahalo iray maty voatifitry ny zandary, iray hafa kosa naratra, saingy mbola tafaporitsaka. Ny alatsinainy lasa teo, tonga tao Belomotsy, faritra manasaraka an’i Manambina sy Ankilizato ireo mpanara-dia omby […]
Dahalo raindahiny : maty voatifitry ny zandary i Desta be
Maty lavon’ny zandary, ny faran’ny herinandro teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Desta be. Dahalo efa namoahan’ny polisin’i Behenjy fikarohana, nanomboka ny volana marsa lasa teo izy ity. Nanatanteraka fampandrian-tany tao amin’ny faritra iadidiany ny zandary tao Ambatolampy. Voasambotra nandritra izany ity jiolahy raindahiny ity. “Tamin’ny alalan’ny traikefa matihanina no […]