Other News

Mpanentsin-keloka !

  Trangam-piarahamonina iray tena nahakivy sy nahaketraka ary nahatezitra no nitranga omaly, teny Manarintsoa. Maty noho ny kapoka nataon’ny raikeliny hoe ilay zazavavikely? Nahaontsa ny nijery ilay vaovao niely. Tena nanohina mafy ary samy naneho fihetsehampo daholo izay nahita tamin’ny tambajotran-tserasera. Homboy ! homboy ! sambory ! gadrao ! izany avokoa ny antsoantson’ny mpanara-baovao. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : nandiso ny vaovao miely momba ny tetiandrom-pifidianana

Tsy marina ny filazana fa namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Nanamafy izany izy, omaly, teny Tsimbazaza. Hentitra sy nahitsy! “Tsy mbola nisy tetiandro momba ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ ny Tanàna nivoaka hatreto. Mbola an-dalana ny famolavolan’ny governemanta izany”, hoy ny […]

TSELATRA

Nandoa vola mitentina 30 tapitrisa Ar ny fianakavian’ireo olona telo, takalonaina tao Ankazobe, izay votsotra ny sabotsy 27 janaory teo. Tsy namelan’ireo olon-dratsy hatramin’ny farany raha tsy nanome ny vola ny havan’izy ireo nandritra ny fanafihana ny 23 janaory teo. Roa lahy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anivorano, […]

Nisoloky 100 tapitrisa Ar: teratany vahiny efatra naiditra am-ponja

Teratany tchadien iray voalaza fa manam-pahaizana momba ny informatika nivoaka tao amin’ny oniversiten’i Moscou no lehiben’ny tambajotra mpisoloky amin’ny resaka “Trading”. Teo koa ireo teratany camerounais roa lahy sy gabonais iray ary Malagasy telo izay samy voasambotry ny polisy avokoa. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, eo amin’ny tambajotran-tserasera facebook no […]