Votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an- keriny ireo takalonaina telo ny 27 janoary tamin’ny 06 ora hariva, tao avaratr’i Tsaramasoandrokely, fokontany Manerinerina, kaominina Ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe. Nahery vaika ny hetsika fampandrian-tany nataon’ny tafika sy ny zandary tao an-toerana ka nahitam-bokany izany. Naratra ireo mpandeha 13 tao anaty taxi-be 192 nofaohan’ny kamiao […]
Other News
Herisetra sy halatra : teratany egyptiana dimy voasambotra
Tra-tehaky ny polisy misahana ny ady heloka bevava, sakelika fahatelo, etsy Anosy, ny teratany egyptiana miisa dimy. Voarohirohy ho miditra an-kerina anaty tanànan’olona sy mandroba izy ireo. Taorian’ny fikarohana, voasambotra teny 67 ha sy teny Mandrosoa Ivato izy ireo, ny 22 sy 23 janoary lasa teo. Fitoriana nataon’ny lasibatra, iray […]
Famonoana mpandraharaha : dimy lahy naiditra am-ponja
Notanana am-ponja, taorian’ny fitsarana azy, ny zoma 26 janoary teo avokoa, ireo dimy lahy namono mpandraharaha tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana. Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana, ny 6 janoary 2024 maraina. Voakapa famaky teo amin’ny lohany izy, tsy vitan’izay fa […]
Tsenan’ Andravoahangy: lehilahy voatifitra teo amin’ny tratrany
Nirefotra ny basy tao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Mpandalo iray voatifitra. Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 4 tapitrisa Ar tao amin’ny tsenam-barotra iray etsy Andravoahangy, afakomaly atoandro. “Nijoro teo alohan’ny tsena ny lehilahy iray nitana basy ary niditra nitaky vola ny roa lahy”, hoy ny tompon-tsena lasibatra. […]






