Other News

TSELATRA

Votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an- keriny ireo takalonaina telo ny 27 janoary tamin’ny 06 ora hariva, tao avaratr’i Tsaramasoandrokely, fokontany Manerinerina, kaominina Ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe. Nahery vaika ny hetsika fam­pandrian-tany nataon’ny tafika sy ny zandary tao an-toerana ka nahitam-bokany izany. Naratra ireo mpandeha 13 tao anaty taxi-be 192 nofaohan’ny kamiao […]

Famonoana mpandraharaha : dimy lahy naiditra am-ponja

Notanana am-ponja, taorian’ny fitsarana azy, ny zoma 26 janoary teo avokoa, ireo dimy lahy namono mpandraharaha tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana. Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana, ny 6 janoary 2024 maraina. Voakapa famaky teo amin’ny lohany izy, tsy vitan’izay fa […]

Tsenan’ Andravoahangy: lehilahy voatifitra teo amin’ny tratrany

Nirefotra ny basy tao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Mpandalo iray voatifitra. Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 4 tapitrisa Ar tao amin’ny tsenam-barotra iray etsy Andravoahangy, afakomaly atoandro. “Nijoro teo alohan’ny tsena ny lehilahy iray nitana basy ary niditra nitaky vola ny roa lahy”, hoy ny tompon-tsena lasibatra. […]