Other News

Fampiasana ny sanganasany : nahazo alalana tamin’i Ninie Donia i Farah John’s

Alalana feno sy ara-dalàna no azon’i Farah John’s amin’ny fihirana sy fampiasana ny sanganasan’i Ninie Donia. Nitondra fanazavana sy fanamarinana mahakasika izany izy. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny mahakasika ny fihirany ny hiran’i Ninie Donia, ny mpanakanto Farah John’s, omaly, teny Am­pasika. « Efa ela i Ni­nie Do­n­ia […]

Fahasembanana ara-batana : Razanapaly Tojo, niezaka ary hankalaza ny faha-10 taonan’ny orinasakeliny

Anisan’ny olona manana fahasembanana niezaka sy nioitra teo amin’ny fiainany Razanapaly Tojo Hajanirina. Antony nandrisika azy tamin’izany ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana nataon’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona. Fanondroana ny olona manan-takaitra hatrany am-bohoka na azo taty aoriana ny atao hoe sembana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 97- 044 mahakasika […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona ny faran’ny herinandro teo indray ny Vondron’ny kandidà. Tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’izy ireo. Na izany aza, voalaza fa tafiditra amin’ny fanohizana ny tolona hatrany izao fihaonana izao. Nandefa solontena ny kandidà sasany amin’izy 11 mianaka. Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ireo loholona, omaly. Nitarika izany ny filohany, […]

Fididianana : tsy hanaiky famitahana intsony ny TGV

“Tamin’ny 2018 izahay no mety voafitaka”, hoy ny sekretera nasionaly faritany Anta­nanarivo, Rasoama­romaka Hery, teny Ambohidahy, oma­ly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy ny depiote. Na kandidà niaraka tamin’ny TGV aza tamin’izany, any amin’ny toerana fahadimy na fahatelo tamin’ny voka-pifidianana. Amin’izao kosa, tsy ho voafitaky ry zareo intsony fa […]

Mba ho laharam-pahamehana

  Mampalahelo fa nahalavoana indray ny mpitandro filaminana omaly, tany amin’ny faritra Betsiboka. Manamboninahitra iray vao erotrerony no lavon’ny balan’ny jiolahy, nandritra ny fanarahan-dia mba ho famerenana ny fananan’ny lasibatra amin’ny tompony. Marina, mety tsy ampahafirin’ny olona lasibatra sy lavo am-perinasa izy. Tsy sanatrian’ny vava hanararao-paty ka hisintona lakolosy. Ny […]