Other News

Raholdina Naivo : “Manan-danja ny fianianan’ny minisitra”

“Manan-danja araka ny lalàna ny fianianana”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimie­rampire­nena, farita­nin’Anta­nanarivo, Raholdina Naivo, ny amin’ny fianianan’ireo mpikamban’ny governemanta mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany. Niteny ry zareo hoe vonona hiaina amin’ny lalàna. Rehefa niteny ny tena hoe sazina raha manao an’izao na izatsy. Raha tratra tokoa ny tena […]

Miantoka ny ho avy

  Miteraka resabe etsy sy eroa ny mahakasika ny fenendrena ilay tovolahy, vao 27 handray 28 taona, ho minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Maro kokoa ny manana fijery miiba noho ireo matoky ny ho fahombiazany. Any anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ny tambajotran-tserasera dia samy manovokovoka avokoa, mitondra fanehoan-kevitra. […]

Andriantsitohaina Naina: “Ny vahoaka no tena hifantohantsika”

“Miara-miasa, miasa mafy sy haingana”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, nandritra ny famindram-pahefana taminy. Laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanambin’ny Filoham-pirenena. Nandray ny fahefana amin’ny maha minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany azy Andriantsitohaina Naina. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]

TSELATRA

Vehivavy iray naratra latsaka tao anaty lavaka teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly hariva. Niakatra izaitsizy ny rano tao anatin’ny ora-nikija. Avy nirava niasa izy tamin’io fotoana io ka teny an-dalana hody no nitranga ny loza. Latsaka tao anaty lavaka izy saingy voatazon’ireo olona niara-dalana taminy. Tsy hay rahateo ny manavaka ny lalana […]

Nanendaka mpandeha : naiditra am-ponja ilay mpamily taxi-be

Nidoboka am-ponja, oma­ly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo. Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. La­san’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana […]