Other News

Lilie sy Felaniary: raikitra ny «Takarivam-pifaliana»

Sady fifampiarahabana tratry ny taona 2024 no anisan’ny fanohizana ny fanafanana lanonana tanterahin’i Lilie sy Felaniary, any ivelany. Hanatontosa «Takarivam-pifaliana» Taombaovao 2024 any Toulouse izy ireo, anio, amin’ny 8ora alina (ora any an-toerana). Fampiaraham-peo tsy zoviana ho an’ny mpitia zavakanto. Anisan’ny andrasan’ny Malagasy maro monina any an-toerana sy ny manodidina, […]

Atrikasa fanoratana : ankizy no tilina handray anjara amin’ny hetsika

Manampy amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy ny fiseharany eo amin’ny haikanto. Anisan’ny antony nahatonga ny mpikarakara hanatontosa ny hetsika izany, ankoatry ny fahatsapana ny zava-misy eo amin’ny fanoratana asa soratra ankehitriny. Tanterahina manomboka amin’ity volana janoary 2024 ity, eny amin’ny Intsitut français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny atrikasa mahakasika […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fivoriambe ny mpikambana ao amin’ny Holafitry ny farmasianina ny 17 janoary izao, eto Antananarivo. « Manao ahoana ny hoavin’ny asan’ny farmasianina eto amintsika ? », no lohahevitra hifampizarana mandritra ny fihaonana. Volana hanentanana ny fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny janoary, hoy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Azo sorohina […]

FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny 60 ireo depiote tonga teny Iavoloha, afakomaly, tamin’ny fampahafantarana ny fanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian. Efa nampoizina kosa ny tsy naha teo an-dRazanamahasoa Christine sy Razafitsiandraofa Brunelle ary ny depiote Rossy. Mitsipaka ny fanjanahantany ankolaka sy mivantana ny eo anivon’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF), araka ny nambaran’izy […]

FANENDRENA MINISITRA : “Tokony hahafehy ny teknika sy politika ny ho minisitra”

Voatendry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ahoana ny fandrafetana ny governemanta vaovao? “Tsy maintsy ma­ha­fehy ny lafiny teknika izany, fa olona tsy maintsy mahafehy ihany koa ny lafiny politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD, Rakotondrasoa Fetra. Mazava ho azy fa afa-miara-miasa amin’ny filohan’ny Repobika; faharoa, afa-kametraka malaky an’ireo fampanantenana noresahiny […]