Other News

Tsy fialofan’ny ratsy !

  Manahirana ny hiresaka ny zava-miseho sasany eto Madagasikara, ankehitriny. Tsy maintsy velesina anefa ny vy dieny mbola mafana. Vantany vao mandray fahefana ny filohan’ny Repoblika dia hihazakazahana ny famotsipotsirana ny marina. Tanjona ny hisorohana ny mety tsy azo ihodivirana rahatrizay ka hahakofona ny fitondram-panjakana. Vao manomboka izy io dia […]

Fitantanana eny ifotony : tsy manaiky ny mety ho fametrahana PDS ny TIM

Mitaky ny hanarahana ny Lalàmpanorenana ny eo anivon’ny antoko Tim. Anisan’izany ny tokony hifidianana ny ben’ny Tanàna fa tsy hametrahana PDS. Nambaran’ny filoha na­si­o­na­ly, Ravalomanana Marc, omaly, teny Fa­ra­vo­hitra, fa ho tapitra amin’ity volana ity ny fe-potoam-pia­san’ny ben’ny Tanàna. No­tsi­ahiviny fa efa nilaza mialoha izy ireo ny volana aogositra 2023 […]

Nitaky vola 2 tapitrisa Ar : ankizilahy iray nalain’ny dahalo an-keriny

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Be­sa­lampy tao amin’ny fokontany Ambohipisaky, ny faran’ny volana desambra lasa teo, ny olona efatra voarohirohy tamina halatra omby sy fakana an-keriny. Nahazo antso ny polisy momba ny fisiana trangana halatra omby ao Andrano­ma­menty, fokotany iray, 5 km miala an’i Besalampy. Raikitra ny fikarohana ireo […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray maty an-drano tao amorondranomasin’i Foulpointe, omaly. Nilalao rano toy ny rehetra izy. Niharan-doza tampoka noho ny antony tsy fantatra mazava ka nitambotsitra ny ainy. Mpanatitra entana amin’ny bisikileta lasibatry ny fanendahana miharo fikasihan-tanana tao Mahitsy, omaly maraina. Nifanena tamin’ny roa lahy izy ka voasakana. Notifirin’ireo mpandroba totohondry sady […]

Vono olona tao Antsirabe: tra-tehaka ilay ramatoa atidoha nikotrika

Nokarohina hatry ny ela! Tratra afakomaly ny ramatoa iray mpamono olona. Namono vehivavy mpiasan’ny kaominina izy ka nandevina izany tao an-tokotaniny. Nataon’ny zandary hazalambo, voasambotra ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza tamin’ny fa­monoana ilay mpiasan’ny kaominina tao Antsirabe, ny volana oktobra lasa teo. Nilaza ho manana tany amidy io vehivavy nahavanon-doza io sy […]