Other News

SOMBIM-BAOVAO

-Notapahin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny rugby (IRB) taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany France, ny taona 2023 lasa teo, fa hampitomboina ho 24 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ny «Mondial 2027», tanterahina any Australie. Raha tsiahivina, 20 ny isan’ireo niatrika izany taloha. -Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina atsy […]

Badminton – Mada 2023 : ligy efatra hiady ho lohany

Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hotanterahina ny 13 sy 14 janoary ho avy izao izany. Handray anjara, hiady izay ho lohany, amin’izany ireo ligim-paritra efatra mandrafitra ny federasiona : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Hiady lohany […]

“CAN 2024” : mbola baraingo ny fandefasana mivantana amin’ny TVM

Miandrandra mafy ny hanarahana mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalaon’ny CAN, ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Mbola tsy nisy anefa fanambarana ofisialy ny mety hahazoana mandefa izany. Folo andro katroka mialohan’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “CAN 2024”, taranja baolina kitra, anio. Fifaninanana tanterahina any Côte […]

Antsiranana: miverina indray ny foroche

Tovolahy telo sy tovovavy roa avy amin’ny fikambanan’ireo tanora mpanao herisetra (foroche) no tratran’ny polisin’ny Fip tao Antsiranana, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy ny zoma 29 desambra 2023, fa misy andian-jatovo mirongo antsy miady sy mifamaly ao Tanambao II. Tsy vitan’izay fa nandratra olon-tsotra iray izy ireo. Raha ny fantatra, […]

Kelimavitrika : jiolahy raindahiny, voatifitry ny zandary

Tapitra hatreo ny andron’i Domy na i Kelimavitrika, dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby ao amin’ny faritra Anjiajia. Omaly vao maraina, nisy ny fifandonana tamin’ity dahalo ity, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambonara, fokontany Lagara, kaominina ambanivohitr’Anjiajia. Nan­dritra ny fisafoana miaraka nataon’ny zandary sy ny Tafika no nahatrarana ity […]