Other News

Anjanahary II : mpamaky trano tratra teo am-pianihana tamboho

Tratra teo am-pianihana tamboho saika hangalatra tao amina tokantrano iray eny Anjanahary II, ny jiolahy iray, afakomaly. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro no nahasambotra azy, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’iny faritra iny. Nihanika tamboho izy ka efa nilatsaka tao an-tokotanin’olona, tamin’io alina io. Hitan’ny […]

Toamasina : olona 18 maty, 203 nandalo fitsaboana maika

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandrasana ny taom-baovao 2024 tao Toamasina. Misy hatrany anefa ny indrokely rehefa vanim-potoana fety toy izao. Raha ny antontan’isa nomen’ny teo anivon’ny Hopitalibe Toamasina (CHU) Analankinina, 203 ny olona tsy maintsy nandalo fizahana maika tao amin’ny sampana misahana ny vonjitaitra, nandritra […]

INDRAY MIJERY

Hisy ny fiofanana momba ny fampiasana sy fikirakirana ny  Mallette pédagogique  hafakely, miaraka amin’ny fikambanana Autisme Madagascar, any Moramanga. Natokana ho an’ny mpanabe, ray aman-dreny, talen-tsekoly, éducateurs spécialisés ny fanofanana. Haharitra roa andro, ny 9 sy 10 janoary ho avy izao, izany. Nisitraka ny tambim-pikarakarana ny CEPE sy BEPC, taom-pianarana […]

Fijoroan’ny governemanta: efa mandinika ny fanendrena minisitra ny filoha

Hitsangana amin’ny tapaky ny volana janoary io raha tsy misy ny fiovana ny governemanta vaovao. Efa mandinika miandalana ny momba ireo minisitra handrafitra izany ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao, araka ny tsilian-tsofina heno. Hahitana praiminisitra lefitra sy sekreteram-panjakana ary minisitra lefitra. Mialoha izany, ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro izay ho […]

“Raharaha tany eny Anosiavaratra”: helohin’ny minisitera ilay tale voarohirohy

Manoloana ilay raharaha tany eny Anosiavaratra, na­moaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­najariana ny tany sy ny fananantany (MATSF), omaly. “Manameloka tanteraka ny fivadiham-pitokisana nataon’ilay tale voarohirohy io ny minisitera sy ny mpiara-miasa rehetra”, hoy ny fanambarana. Napetraka ho mpiara-miasa hitady ny hahasoa ny vahoaka nefa vao mainka nambotry vahoaka. […]