Other News

INDRAY MIJERY

Nisitraka ny couverture santé universelle ihany koa ny tao amin’ny distrikan’i Ste Marie, faritra Analanjirofo. Rafitra napetraka hanenana ny vesatra ara-bola amin’ny fahasalamana napetraky ny fanjakana izy io. Maro ireo nisoratra anarana niditra ho mpikambana ao anatin’ny rafi-piantohana fahasalamana, ahafahana misitraka fitsaboana maimaimpoana. Nankalaza ny faha-50 taonany ny Tranon’ny Fitiavana, […]

TARATRY ny KANTO

« Diary Nofy ». Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Librairie St Paul Analakely, ny atrikasa angano, andiany fahasivin’ny tetikasa «Diary Nofy». Niavaka kely ny tamin’ity andiany ity noho ny fisian’ny fampisehoana teatra niarahana tamin’ny Zara aina. “Blanche Neige 2.0”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Aft Andavamamba, ny fampisehoana angano […]

Andrianarivelo- Razafy Andriamaniraka : notolorana « Grand-Croix de 2e classe »

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny «Le Marais» Ankorondrano, ny lanonana fanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Grand- Croix de 2e classe», an’ Andrianarivelo-Razafy Andria­maniraka. Nitarika ny lanonana, Rakotonarivo Donatella, mpikambana eo anivon’ny Conseil de l’ordre national malagasy. Notolorana mari-boninahitra koa ny vadiny, Andrianarivelo-Razafy Noëli­ne sy ny zanany, Andriana­rivelo-Razafy Marcellin. Anisan’ny nahafantarana […]

Nandrasana tetsy Analakely : halevina anio i Delacre Black Jack’s

Faran’ny herinandro tao anaty raho-mainty indray iny, ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny alin’ny zoma lasa teo mantsy Randriamirana Jean de La Croix, na i Delacre, fantatry ny maro amin’ny maha lehiben’ny tarika Black Jack’s azy. Rehefa avy nandrasana tao an-tranony, teny Ambaniala Itaosy, nentina tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely kosa […]

Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona : tontosa omaly ny lanonam-panjakana ho an’ny hiragasy

Niavaka noho ny mahazatra ny lanonana tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy, omaly. Hafaliana no hita soritra teny amin’ny tsirairay, noho ny nahatafidirana ny hiragasy ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. Fanambarana manetriketrika. Ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, mihitsy no tonga namaky ny fanambarana ofisialy, fa tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka […]