Mampitaraina ny mponina sahady ny fahatapahan-jiro matetika. Lasibatra ny fihariana madinika, indrindra ireo miankin-doha amin’ny herinaratra. Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ihany koa izany. Matahotra ny mpiara-belona manoloana ny asan-jiolahy isan-karazany. Mpikambana 23 avy amina kaoperativa roa avy ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, misehatra amin’ny famokarana masomboly fambolem-bary, no nisitraka fiofanana […]
Other News
Ambatovy : manohana ny tanora mpandraharaha
Anisan’ny manome tohana sy manampy ny tanora malagasy mpandraharaha ny orinasa Ambatovy. Misy ny fandaharanasa ataony entina hanampiana ny mpandraharaha ka nisy tamin’izy ireo no nandray anjara tamin’ny hetsika « FIER Mada 2023” farany teo. «Niroborobo tokoa ny orinasako hatramin’izay nisitrahako ny fandaharanasa fanampiana orinasa nomen’ Ambatovy sy La Fabrique ahy […]
China-Madagasikara : tsy handoa haba ny 98% ny vokatra malagasy
Mihamafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i China. Tombony ho an’ny mpandraharaha mpanondram-bokatra toy ny lavanila izany. Tsy handoa haban-tseranana hatramin’ny 98% ireo vokatra malagasy haondrana any China. Nisy ny fifanaovan-tsonia nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, sy ny masoivohon’ity firenena ity, Guo Xiomei, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, […]
« Foire internationale de l’agriculture » : hametraka birao tokan’ny fandraharahana ara-pambolena
Hampivondrona ireo mpiantsehatra samihafa ao anatin’ny tontolon’ny famokarana amina toerana iray ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture”. Omena lanja manokana ny tantsaha ahafahany mampiroborobo ny vokatra ataony sy ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra tsy miankina. Ambohipihaonan’ny fampandrosoana ny asa famokarana ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture” (FIA) andiany fahadimy. Hanome vahana […]
FANTINA sy FINTINA
Hanao fanambarana ny haha kandidà azy na tsia ny filoha Rajoelina, anio. Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, Mahamasina izany ary hatrehin’ireo mpikatroka TGV, avy nanao kongresy sy ireo fikambanana na antoko politika hafa. Efa nanapaka ny hanolorana azy ho kandidà ny fihaonambe teny Ivato, omaly. Kandidà nanatitra […]






