Other News

Fikarakarana ny bileta tokana : amin’ny alatsinainy ny antsapaky ny laharan’ny kandidà

Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, ireo tetiandro manaraka amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Anisan’izany ny momba ny ho filaharan’ireo kandidà anatin’ny biletà tokana. “Hotanterahina ny alatsinainy izao ny an­tsapaka ho an’ny laharan’ireo kandidà, amin’ny biletà tokana”, hoy izy, omaly, teny Alarobia. Nandray ireo solontenan’ny Frankofonia (OIF) ny tenany tamin’izany. Notsindriny fa izany laharana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo ny laharana faharoa, tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, tany Arabia Saoudite, taranja Haltérophilie, sokajy -45 kg, Radafiarison Rosina, vehivavy atleta malagasy. Nahavita «pérformance» (77 kg arraché, 93 kg épaulé, jeté 170 kg total olympique) izy, tamin’ity fifanintsanana ity. Hanomboka ny zoma 9 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny […]

Can 2023 – Handball : hifanandrina amin’ i Tunisie ny Akio

Hotanterahina any Mo­nastir Tunisie manomboka rahampitso 7 – 14 septambra, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy juniors vehivavy. Hihaona amin’i Madagasikara voalohany i Tunisie, mpampiantrano. Miisa 10 ireo firenena mandray anjara amin’ity andiany faha-30 ity. Ahitana an’i Madagasikara, i Tunisie, i Algérie, i Mali, i Angola, i […]

Rallye : mitarika i Mathieu Andrianjafy

Dingana 3 izay no tontosa eo amin’ny fifaninanam-pirenena familiana fiarakodia ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Mitarika eo amin’ny mpanamory, Andrianjafy Mathieu mitondra ny fiara Subaru, avy amin’ny Asacm, manana isa 170, 50. Nandraisany anjara avokoa ireo hazakazaka telo efa-tontosa. Raha tsiahivina, nanokatra ny fihaonana ny an’ny klioba FMMSAM, nanana lanjan’isa 1.0, […]

Taekwondo – Lalao Olympika 2024 : hiady tapakila any Sénégal ny Malagasy

Mitohy avy hatrany ny asa ho an’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy. Efa manomana ireo atleta amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024) izy ireo. Nambaran-dRamanan­tsoa Christian, filohan’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, tamin’ny mpanao gazety, ny alatsinainy teo, teny Iavoloha, fa mitohy avy hatrany ny asa […]