“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no […]
Other News
Fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny: miantso ny Foloalindahy haneho hevitra ny MMM
Nohitsin’ny kandidà, i Andrianainarivelo Hajo fa manao fanambarana sy maneho hevitra hatrany ny Foloalindahy rehefa sahirana ny mpitondra fanjakana. Voizin’izy ireo amin’izany ny fiarovana ny Andrimpanjakana. “Voantohintohina izany Andrimpanjakana izany anefa izao satria filoham-panjakana am-perinasa no nangataka zom-pirenena vahiny ny taona 2013. Mba te aheno ny Foloalindahy izahay haneho hevitra”, […]
Antoko HVM: “Ilaina ny fifampiresahana”
“Anaovanay antso avo na ho an’ny fanjakana, na antoko, na kandidà: tsy lany andro ny fifampiresahana momba ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo; eny, na efa nanambara ny firotsahan-kofidina aza ny filoha mpanorina ny antoko. Betsaka ny ohatra velona teto amin’ny firenena na ireo […]
Indray mijery
Manome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 5 i Algerie amin’ny taom-pianarana 2022-2023. Natao ho an’ireo te handalina ny siansa momba ny fitsaboana biby sy ny siansa momba ny zavaboahary izany . Natao indrindra ho an’ireo vao nahazo ny diplaoma bakalorea farany teo. Efa misokatra ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’izay maniry […]
Tsy mitsaha-misonga: tafakatra 3 100 ny kilaon’ny vary gasy
Mipaka amin’isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidin-entana eny an-tsena indrindra amin’ireo filana andavanandro. Ho sarotra ny fitantanam-bola amin’izao fidiran’ny mpianatra izao sy amin’ny fotoan’ny maitsoahitra. Mampikaikaika ny maro ny vidim-bary amin’izao. Tao anatin’ny fotoana vitsy, tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe”. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 3 […]






