Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana […]
Other News
ZDS Ankarafantsika : Kaomandy vaovao ny Jly Narivony José Marcellin
Tontosa omaly, tao Mahajanga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Narivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanora 100 no nisitraka ny tetikasa « titre vert » tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nandray sy niarahaba azy ireo tao amin’ny tranoben’ny tangorona ny goverinoran’ny faritra, omaly. Tanjona ny hampiroborobo ny fambolena sy ny famokarana ary ny fiharian’ny tanora, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mahavita manodina fary 30 t isan’andro […]
Antontam-baovao ara-pambolena : ampiasaina ny teknolojia nomerika
Vitsy ny isan’ny Malagasy teknisiana mikasika ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, fa iray ny Malagasy teknisiana miasa ho an’ny tantsaha 4 000, raha tokony ho iray ho an’ny olona 500 ny fenitry ny Banky iraisam-pirenena. Soa fa mandroso […]
Orinasa Sema Eau vive: nahazo jiro ny tananan’ Andranovelona
Mandray anjara feno amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Sema Eau vive, eo ambany fiahian’ny Star. Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo ny fokontany Andranovelona, toerana iorenan’ny ozinina mamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy, Eau vive. Mazava daholo izao ny miditra sy mivoaka ny tanàna. […]






