Other News

Fanjifana : mihaliana amin’ny taozavatra ny Malagasy

Fotoana maha maro ny mpizahatany ny fialantsasatra lehibe toy izao. Nambaran’i Mbintantsoa, mpitondra tenin’ny Fikambanan’ny Art Malagasy Miray (AMM) etsy amin’ny tsena Pochard, fa niavaka ny tamin’ity taona 2023 ity, taorian’ny krizy Covid ny taona 2020 hatramin’ny 2022 teo. Nisy fivoa­rana ny mpanjifa, satria manomboka liana amin’ny zava-bita malagasy isika. […]

Asa tanana : mbola vitsy ny vahiny mpividy

Tsy araka ny tena nantenaina! Anisan’ny tena niomana fatratra ny hamaroan’ny mpanjifa amin’izao fisian’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) izao ireo mpivarotra asa tanana sy taozavatra malagasy, etsy amin’ny tsena Pochard Soarano. Nilaza ny mpitondra tenin’ ny fikambanan’ny Art Malagasy miray (AMM), Mbintantsoa, fa efa ela niandrasana ity […]

FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny fikambanana Zanaka Antanala (Zanta), afakomaly, fa tsy manao politika, tsy manolotra sy tsy manohana olona hirotsa-kofidina amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Izay no maha fikambanana tsotra sy amin’ny maha fikambanan-drazana azy, izay ikambanan’ny distrika roa, Ikongo sy Ifanadiana. Koa lavin’ny fikambanana ny fampiasana ny anarany amin’ny fanolorana […]

Fitavozavozan’ny fikarakarana dosie. : handraisan’ny HCC fepetra ireo sampandraharaham-panjakana

Hentitra ny fampitandreman’ny filohan’ny HCC, Rako­toarisoa Florent, omaly, teny Ambohidahy, manoloana ny fitarainan’ireo kandidà. « Ho­raisina ny fepetra sy ny andraikitra amin’ireo sampandraharaham-panjakana mandray sy mikarakara ireo antontan-taratasin’ireo kandidà kanefa mitavozavoza », hoy izy. Anisan’ny notanisainy tamin’izany ny eo anivon’ny fandoavan-ketra (211 bis), ny tahirimbolam-panjakana amin’ny fandraisana ny anto-bolan’ireo kandidà (Tresor), ny […]

Valalabe mandry

  Somary mangingina ny tontolo politika. Takon’ny lalaon’ny Nosy. Misoko miadana nefa ny dinika karaka­rain’ny raiamandreny am-panahy, mitady ny fomba hila­minan’ny firenena. Mandeha tsikelikely koa ny kajikajy any ambadiky ny lampihazo. Ny tompom-pahefana, mitety faritra. Ny mpifaninana efa samy misomebiseby any amin’ ny misy azy any avokoa. Tsy misy mampikoropaka […]