Nodimandry ny alahady 27 aogositra teo, Rasamimanana Rochel fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ilay solon’anarana « Petit ». Izy no filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy. 66 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny federasiona, hampandalovina etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ny nofomangatsiakan’ity andrarezin’ny hiragasy ity, ny alarobia 30 […]
Other News
Kalon’ny fahiny, ho vazon’ ny ankehitriny !
Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany ny filazana fa « kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny » ! Azo adika amin’ny hoe, hiverina eny am-bavan’ny Malagasy indray ny kalon’ny fahiny. Ho takany ny hevi-dehibe ampitain’ny tononkira ka hanana ny akony eo amin’ny fiainany. Tsy azo […]
Tarika Baobab : homarihina amin’ny seho maro ny faha-5 taona
Miezaka mitandro fatratra ny aingampanahim-pamoronana. Tarika Baobab, iray amin’ireo mamelona ny hira nanana ny lazany teo anelanelan’ny taona 1960 – 1980 – 1990. Dimy taona niakarana an-tsehatra. Tarika Baobab, ivondronan’ireo mpitendry sy mpihira efa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika. Mampiavaka azy ireo ny fanandratana hatrany ny […]
Tetikasa “Madagasikarantsika” : tafapetraka ny alan-javaboahary voalohany any Ampotaka, Mandoto
Tratra ny tanjona! Notokanana tao Ampotaka ny alan-javaboahary voalohany eto Madagasikara. Handrakotra ala ho an’ny taranaka sy ho fanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana maharitra ny tetikasa “Parc Madagasikarantsika”. Tsikitsiky sy hafaliana. Io no nisoritra teo amin’ny endrik’ireo mponina tao amin’ny fokontany Ampotaka, kaominina sy distrika Mandoto, faritra Vakinankaratra omaly, […]
FANTINA SY FINTINA
Hanatitra dosie ny kandidà Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle, ny zoma izao. Na izany aza, nametraka ahiahy izy ireo ka nanatitra taratasy teny amin’ny HCC sy ny Ceni mba tsy hifamitahana. Naka toky amin’ny hahamatotra ny fifidianana sy nitaky ny ahafahan’ny rehetra mirotsa-kofidina izy ireo. Raikitra ny fihaonambem-pirenena hotarihin’ny FFKM. Hisokatra, anio […]






