Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Fiombonana, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tranga niseho tetsy Mahamasina ny zoma hariva ka nahafatesana olona am-polony. “Miara-manaiky isika rehetra fa samy tomponandraikitra avokoa tamin’ny zava-nitranga ka noho izany, manameloka tanteraka ny tandrevaka sy ny tsy fandraisana andraikitra nahatonga ireny izahay”, hoy ny […]
Other News
INDRAY MIJERY
Filoha mpitarika ny Seces sampana Antananarivo. Mitaky fisaonam-pirenena manoloana ny famoizana aina maro, vokatry ny fifanosehana niseho, nandritra ny lanonana fisantarana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teny Mahamasina izy ireo. Mirary fahasitranana ho an’ireo mbola mitsabo ary miara-miory amin’ireo namoy havana izy ireo. Anio no hanapaka ny tohin’ny hetsika ny […]
Seho an-tsehatry ny tanora: niara-nankafy ny “Bodu Beru” ny rehetra
Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro faharoan’ny « Volet Jeunesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana […]
Taekwondo : medaly volamena 11 ny azon’i Madagasikara
Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady, tetsy Mahamasina, ny famaranana ny lalao ho an’ny taranja taekwondo, amin’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity. Miisa 16 ny medaly norombahin’ireo atleta malagasy, ka volamena ny 11, 4 ny volafotsy ary 1 ny alimo. Nafana tanteraka ny famaranana rehetra natao teny an-toerana. Anisan’ireo […]
Ping-pong : nahazo medaly volamena ny isan-tarika, lehilahy
Tsy nitsanga-menatra ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo, nandrombaka medaly volamena ihany koa ry zareo, tamin’ny alalan’ny ekipa isan-tarika, lehilahy, nahitana an’i Nativel sy i Zo ary i Luciano. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’ny Zone Forello Tanjombato. Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Maldives […]






