Other News

Praiminisitra Ntsay Christian : “Andraikitry ny rehetra ny fanadiovana”

“Manao antso avo ho an’ny Malagasy rehetra sy ho an’ny tomponandraikitra rehetra aho mba handray ihany koa ny andraikitra tandrify azy avy. Satria adidy ny fanadiovana ny tanàna”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fitarihana sy fifanomezan-tanana ny mponina teny amin’ny fokontany Fiadanana, omaly. Tsy adidin’ny kaominina na ny minisitera […]

Fifidianana filoham-pirenena: tsipahin’ny mpanohitra ny haha kandidà ny filoha Rajoelina

Nikasa hanao fihaonambe teny amin’ny Espace Yandy By Pass ny fivondronamben’ny mpanohitra rehetra, omaly. Tsy tanteraka anefa izany saingy nanao fanambarana ihany izy ireo. Nosakanana sy nohidin’ny Emmo/Reg ny vavahadin’ity toerana ity ka nanao fanambarana teo ivelany ireto avy amin’ny fanoherana ireto. Nahitsy ny nambaran’izy ireo amin’ny tsy fanekena ny […]

INDRAY MIJERY

  Antsiranana no manana ny taham-pahafahana ambony indrindra tamin’ny sampana teknika ho an’ny bakalorea 2023. Nahatratra 89,68% izany ho an’ity taona ity. Fianarantsoa kosa no manana ny taha ambany indrindra: 56,08%, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Hisy atrikasa momba ny fahakivian-tsaina tanteraka, karakarain’ny […]

« Village Culturel des jeux des îles »: mahaliana ny mpitsidika ny kolontsain’ny nosy hafa

Efa nisokatra, ary azon’ny rehetra tsidihina, mandritra ny lalaon’ny Nosy, ny « Village Culturel des Jeux des îles », eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Toerana ahitana asa tanana sy haikanto samihafa. Ankoatra izay, misy koa ny hetsika ara-kolon­tsaina sy zavakanto, iarahana amin’ireo mpanakanto avy amin’ny nosy manodidina. Tanjona amin’izao ny hampiala voly sy hitondra ny mpitsidika hitety […]

Tsipy kanetibe : nahazo alalàna tamin’ny FIJP ny fifaninanana

Afaka ny ahiahy sy ny tebitebin’ny rehetra mpilalao sy mpankafy ny tsipy kanetibe. Ny alarobia lasa teo, nandefa mailaka ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ka nanome alalàna ny komity mpikarakara ny lalao (COJI) fa afaka hifaninanana amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity, ny taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, nosazian’io rafitra iraisam-pirenena io ny […]