Other News

FANTINA sy FINTINA

Iandrasana ny fialan’ny filoha Rajoelina ny kongresy, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Mangataka ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina ny olona. Dinihina izay tena mahatsara azy. Mametra-pialana izy rehefa mirotsa-kofidina, any ve no tsaratsara kokoa? Mahafinaritra rehefa eo ilay olona amin’ny fanaovana kongresy”, hoy izy. Hanambara tsy ho ela ny […]

Minisitry ny Atitany: “Tsy sakana amin’ny fampandrosona ny lalàna”

“Ahoana no hahazoan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tena mandray an-tanana ny hoaviny amin’ny fampandrosoana ny kaominina na ny faritra?”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, ny amin’ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna sy lehiben’ny boriborintany eo anivon’ny faritra Diana, tany Antsi­ranana, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny didy […]

Tsy namany aho !

  Vaovao nahoraka maneran-tany ny fisamborana ny talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika malagasy, ny alakamisy 10 aogositra, tany Londres. Ahiahina ho nanao kolikoly izy sy ny namany. Miandry ny fotoam-pitsarana any am-ponja hatramin’ny 8 septambra. Afa-baraka tanteraka ilay firenena malagasy. Nihazakazaka namoaka ny vaovao ny ankamaroan’ny gazety vahiny, amin’ny fiteny […]

Fifidianana filoham-pirenena : Kandidà Ratsirahonana Lalaina Harilanto

Tafakatra valo ireo nanao fanambarana ho kandidà filoham-pirenena. Anisan’ny hifaninana ho eny Iavoloha, Ratsirahonana Lalaina Harilanto. Nanao fanambarana ny filatsahany ho fidiana Filoham-pirenena ny zanaka faralahin-dRatsiraho­nana Norbert Lala. “Efa nahazo ny tso-dranony aho”, hoy Ratsirahonana Lalaina Hari­lanto. Filohan’ny fikambanana “An’i Kristy” izy. Tomponan­draikitra ambony eo anivon’ny Auximad. Natolotry ny antoko […]

TSELATRA

Zaza telo indray maty tao anaty mololo, tany Ambaiboho, kaominina Morarano Chrome, ny alahady 13 aogositra teo. Zanaka mpanao biriky, voatery matory anaty mololo izy ireo amin’ny alina. Nisy afo tsy maty tsara anefa ka niitatra. Nitsoaka ny afo ny ray aman-dreny saingy tavela ireto zanany. May ny herinaratra, namoy […]