Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambilobe. Manana tanjaka 1MW ity tobim-pamokarana ity raha 800 KW isanisany kosa ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa miaraka aminy. Hahatratra 2.400 KW ny herinaratra hovokarina ao Ambilobe. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Mahatratra 3.750 ireo hisitraka ny fotodrafitrasa. […]
Other News
Fitomboana ara-toekarena : tsy nandroso tao anatin’ny telo volana voalohany 2023
Manangona ny antontam-baovao rehetra mikasika ny tontolon’ny toekarena ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsikariny fa nihemotra ny fandrosoana ara-toekarena teto amintsika, tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2023. Lafin-javatra maro no jeren’ ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) amin’ny toekarena eto amin’ny firenena. Manan-danja lehibe amin’ny lafiny fampandrosoana ny entin’ny mpandraharaha […]
«Festival des baleines» : Tontosa na maro aza ny sakana
Fanainga ho an’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana ny “Festival des baleines” andiany fahenina teo. Tsara ny tombam-bokatra ary feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie) nandritra ny herinandro mahery nanaovana ny hetsika. Na izany aza, betsaka ireo hetsika tsy tontosa noho ny haratsin’ny toetr’andro. Anisan’izany […]
TARATRY ny KANTO
“Samedi de la foundation H”. Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H, Ambatomena, ny atrikasa famoronana ho an’ny olon-dehibe. Ny mahakasika ny fanenomana amin’ny tanana no amin’izany. Hiarahana amin’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny tenona no mikarakara ny hetsika, izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina. Slam national […]
Velakevitra – Soratra: « Mety ho levona ny talenta », hoy Ravorombato Ony
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Famoloana Telozoro” ilay velakevitra hotontosain-dRavorombato Ony Lantoarimamy, nomena ny lohahevitra : « Ny fahalevonan’ny talenta eo amin’ny pôeta sy ny mpanoratra ». Famelabelaran-kevitra hotanterahina ny 2 aogositra izao, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Tari-dresaka nataon’ity mpanoratra ity ny fanehoana fa misy ny talenta fa […]






