Nasongadin’ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly, tao amin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, ny momba ny fifidianana. “Mandresy lahatra ny Sadc ny sasany ny amin’ny hananganana governemanta iraisana fa tsy hanaovana fifidianana… Efa anaty zotra sy dingam-pifidianana isika izao. Hafa indray raha nisehoana krizy politika teto […]
Other News
Resy tsy miady
Leo fahoriana…hany ka be fahasahiana manao ratsy ny ankamaroan’ny olona. Sady nampitolagaga no nampihorona ny hodi-dohan’izay nanatri-maso ny zava-bitan’ ilay raim-pianakaviana ao Toamasina, afakomaly. Taiza no nisy olona sahy manapaka tanana an-kitsirano, imasom-bahoaka izany. Taratry ny fikorontanan-tsaina noho ny tahotra ny fiainana no mahatonga izany. Mazava ny nambarany fa […]
Ankadindratombo : tratra ireo telo lahy nanafika tranombarotra
Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranombarotra tetsy Ankadindratombo. Mpiambina iray tao amin’ilay tsenambarotra ihany no tompon’antoka tamin’ny asa ratsy. Ny alarobia teo, nanafika tao amina tsena iray tao an-toerana izy telo lahy. Tsy nisy nisaron-tava, nitondra fitaovam-piadiana ary nitaky ny vola tamin’ny mpiasa. Teo an-toerana […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teny Ampefiloha, manakaiky ny lakandranon’ Andriantany, afakomaly alina. Lasan’ireo jiolahy telo ny poketra teny aminy. Rehefa vita ny asa ratsy, nazeran’ireo jiolahy tany anaty ranom-potaka ilay vehivavy tsy ahafahany miantso vonjy sy manenjika. Mpiambin-tanàna telo mianadahy nivarotra ny entan’ny mpampiasa azy. Saron’ny zandary ny 22 jolay […]
Tsy navela hanao baolina : maty nananton-tena i Jean Antonio
Naleony namoy ny ainy ! Hita faty tao Ambalavotaka Masomeloka, manamorona ny Lakandranon’i Pangalana, omaly, i Herinaina Jean Antonio, ankizilahy 12 taona. Voalazan’ny fampitam-baovao marim-pototra avy amin’ny zandary ao Masomeloka, handeha hilalao baolina hiaraka amin’ny namany izy ny alarobia maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Tsy navelan-dreniny, Antoine Emilienne, handeha […]






