Maty tsy tra-drano ny zazavavy iray nohosen’ny kamiao, tao amin’ny fokontany Antohobe, distrikan’i Betafo, ny 29 jolay teo. Nandeha mafy ity fiara mpitatitr’entana ity. Nahazo ny RN-34, sendra zaza niampita tampoka ny arabe ny mpamily, teo amin’ny PK 43 + 300. Tsy tafajanona intsony ny fiara. Tetsy andaniny, nentin’ny hatairana, […]
Other News
TSELATRA
Lehilahy iray mpanao trano no maty tao anaty lavadrano iray eny Ambohimangakely, ny sabotsy teo. Nandritra ny fidinany hikarakara ity lavadrano teny Antanambao Ambohimangakely no nitranga ny loza. Sempotra tao anaty lavaka izy ka antony nahatonga ny fahafatesany, araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina tonga nampiakatra ny razana. Nidoboka eny amin’ny […]
Mandoto : Basy Kalach roa sy mohara azon’ny zandary
Basy Kalachnikov roa sy basy vita tanana iray ary ody ratsy marobe (mohara) no indray azon’ny zandary taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo, ny sabotsy teo. Dahalo telo indray maty voatifitra raha enina hafa kosa azo sambo-belona. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby 52 saika lasan’ireo malaso. Nandritra ny fampandrian-tany nataon’ny zandary, niaraka […]
Lehilahy novonoina: nifatotra tongotra aman-tanana!
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray. Nopotehina ny tarehiny. Nafatotra tongotra aman-tanana tao an-damosina izy. Novoina tamin’ny fomba feno habibiana, raim-pianakaviana iray hita faty tao Ambalamanga, fokontany Ambohitrinibe, kaominina Milamaina, distrikan’ i Fandriana, ny 25 jolay 2023 teo. Nodarohana teo amin’ny lohany, voa mafy io lehilahy io. Nofatoran’ireto […]






