Hisitraka tohana amin’ny alalan’ny fandaharanasa CLIM-INVEST ny sehatra tsy miankina. Voafaritra nandritra ny fivoriana niarahany ny rafitra iombonana ho an’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Nivory ny herinandro lasa teo ny vondron’ny sehatra tsy miankina. Voasolo tena tao avokoa ireo sampandraharaha samihafa. Tanjona ny hanamafisana ny filana sy ny fanohanana ny sehatra tsy […]
Other News
TSELATRA
Zaza kambana hita faty, nisy nanary, tetsy Andohatapenaka II, omaly maraina. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’ireo zaza ireo. Kambana mbola tany am-bohoka izy roa ireto saingy tsy fantatra ny nahavanon-doza. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tratran’ny polisy ny mpangarom-paosy iray tetsy Behoririka, afakomaly. Hitan’ny “caméra”, manaraka […]
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka… : nokaramaina 30 000Ar ireo jiolahy hanaparitaka vola sandoka
Tsy milamina intsony ny tanàna! Miparitaka izaitsizy indray ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Any amin’ireo lanonana sy tsena any ambanivohitra no tena hanaparitahan’ireo olon-dratsy ireny vola sandoka ireny. Voasambotry ny fokonolona tao Ambatomena fokontany sy kaominina ao ihany ny vehivavy iray sy ny anadahiny, niaraka tamin’ny vola sandoka, afakomaly. […]
Halatra vy an’ny Jirama : telo lahy naiditra am-ponja
Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra vy amin’ny andrin-jiron’ny orinasa Jirama. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telo lahy taorian’izay. Ny 15 jolay 2023 izy ireo no voasavan’ny zandary teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao anaty fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Ambanitsena sy Mahazo. Nahazo antso […]
Poa-basy indimy : mpianadahy nataon’ny jiolahy takalonaina
Jiolahy 15 lahy nirongo fitaovam-piadiana naka takalonaina roa. Rovitry ny bala ny sofin’ny raim-pianakaviana iray. Raikitra ny sakoroka tao Bakaro, fokontany Mahatsara, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Lasan’ny jiolahy an-keriny ny lehilahy iray sy ny anabaviny tamin’ny 9 ora sy 43 minitra alina. Nirongo basy, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray […]






