Araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy, tokony ho nanomboka ny zoma 15 jolay lasa teo ny fampivondronana farany sy miaraka ireo atleta hiatrika ny JIOI andiany faha-11. Tsy mbola nisy anefa hatramin’izao ny fampiantsoana ofisialy natao azy ireo. Misy ihany ireo izay manohy ny kotrana sy nomena […]
Other News
Kitra – « Telma Coupe »: resin’ny Ajesaia ny Dato FC
Mitohy ihany ny lalana ho an’ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava. Tafita hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana izy ireo, rehefa nandavo ny Dato FC, tamin’ny isa 1 no ho 0. Notanterahina ny sabotsy sy ny alahady 16 jolay lasa teo ny ampahavalon-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo […]
Handball – « IHF Trophy”: hifaninana amin’ny sehatra ambony ny Akio
Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, any Côte d’Ivoire, ny fifaninanana “IHF Trophy Continental”, sokajy vehivavy “Juniors” sy “Cadettes”. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ izany i Madagasikara. Tsiahivina fa tompondakan’ny « IHF Trophy Zone 6 » ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy Akio “Cadettes” sy “Juniors”, izay notontosaina tany […]
Judo-Afrika « cadets & juniors »: 36 mianadahy ny solontena malagasy
Tsy misy fiovana fa hotanterahina eto Madagasikara, ny 27 hatramin’ny 30 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet sy Juniors, taranja Judo. Tsy niova koa, hatramin’izao, ny toerana hanatanterahana izany, araka ny fanazavana avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo, fa ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ihany. […]
Basikety-Mada U14: hentitra amin’ny hala-taona ny tomponandraikitra
Nisokatra ofisialy, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy, taranja basikety. Klioba 75 avy amin’ny ligy 17 no tonga mandray anjara. Tsy nahasakana ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, hampanjaka ny mangarahara, ny habetsahan’ny mpilalao mifaninana. Nampiharina avy […]






