Other News
SOMBIM-BAOVAO
Basikety Tafaverina eto an-tanindrazana omaly ny Ankoay, avy niaro ny voninahi-pirenena, nandritra ny Mondial “FIBA World Cup U19 2023”, natao tany Debrecen, ny 24 jona-2 jolay. Laharana faha-14 i Madagasikara. Voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra, nandritra ity fifaninanana ity i Mathias M’Madi. Tonga nitsena azy ireo teny Ivato, […]
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : ho vita alohan’ny faran’ny volana ireo fotodrafitrasa
Nambaran’ny minisitry ny fanatanjahantena malagasy, i André Resampa, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo, fa ho tafapetraka avokoa ary ho vita alohan’ity faran’ny volana jolay ity ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), andiany faha-11. Fihaonana, hatao eto Madagasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra, ho avy […]
Rugby : fantatra ireo ekipa ao anaty «Top 12»
Taorian’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”, fantatra avokoa ireo ekipa tafajanona ao anatin’ny “Top 12”, ho an’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha tsiahivina, tsy natao “Top 20” intsony ny fifaninanana, araka ny fepetra notakin’ny rafitra iraisam-pirenena dia ny Rugby Afrique sy ny International Rugby Board […]
Kitra – “Orange Pro League” : mahazo 15 tapitrisa Ar ny tompondaka
Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Ekipa roa avy ao amin’ny vondrona avaratra, ary efa mifankazatra tsara. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina, ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro […]






